EDITO 7 oktobra – Fiainam-pirenena – Tompon-trano mihono ny vahoaka

Sôh’son

Entina amin’ny fitantanana an-kifonofono sy an-kinafinafina ny firenena. Ho hatramin’ny oviana izany? Izay ve no fitsipi-dalao sy ny fomba itaizana ny vahoaka Malagasy ao anatin’izao fitondrana izao? Handeha amin’ny tsy fahamarinana sy ny mangarahara hatrany izany? Fanontaniana marobe toy izany no mipoitra rehefa mahita ny fomba fitondrana firenena amin’izao fotoana izao.

Maro amin’ireo raharaha ilan’ny vahoaka fanazavana no odian’ny fitondrana tsy resahana hatramin’izao, na dia misy manontany mandrakariva aza sy anaovana tsipy teny amin’ny fampahalalam-baovao. Anisan’izany ny raharaha “doublon” tamin’ny fifidianana, ny resaka “bonbons sucettes”, ny “écran plat”, ny volamena 73, 5 kg voatana ao Afrika Atsimo, ny nahafatesana mpianatra toy ny tany Toamasina, ny fanazavana ny fomba nahazoana ny fiarakodian’ny filohan’ny Repoblika naseho teny Mahamasina tamin’ny vao handray ny fitondrana, sy ireo fitaovam-piadiana naseho tamin’izany, sy ny maro hafa. Tompon-trano mihono tanteraka ilay vahoaka Malagasy amin’ny zavatra ataon’ny fitondrana. Entina ho toy ny mpanarak’efa fotsiny fa tsy noheverina sy amporisihina ho tompon’andraikitra amin’ny firenena. Tsy fahaiza-mitondra firenena ve sa fanahy iniana atao mihitsy izany mba hanamafisana ny toerana sy ny tombontsoa igalabonana isan’andro?

Nidehaka ho fahaiza-mitantana no nambaran’ny filohan’ny Repbolika sy ireo miara-dia aminy, ho antony nahazoana ny vola mitentina 332 tapitrisa dolara. Efa be ireo nanohitra izany sy nitondra fanazavana ny tena nahazoana azy, tsy iverenana intsony izany. Fa ny tiana horesahana, dia tena mahay mitantana tokoa ve i Andry Rajoelina sy ny ekipany? Tsy resaka vola fotsiny izany, fa hatramin’ny fitantanana hatrany ifotony. Dia iaraha-mahita sy miaina tsara ny zava-misy iainam-bahoaka hatramin’ny nitondrany. Fitantanana misy fiangarana sy fanaovana zanak’Ikalahafa, fanilihana ny sokajin’olona eo anivon’ny fiaraha-monina, fandefasana mpiasa amina orinasa ho tsy an’asa ary lasa vesatra ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany na dia nanana antom-pivelomana mazava tsara aza teo aloha. Ny ankamaroan’ny vahoaka dia mitady hanina, mba hahafahana ho velona fotsiny sisa isan’andro. Misy aza ny tsy voajery ao anaty kere any atsimo na dia idedahana fa mijery sy mitsinjo ny any amin’iny faritra iny ny fitondrana. Ny sahirana sy ny mahantra miha-mitombo isa, fa olom-bitsy no hany mahita tombontsoa, sns…

Izany ve no fahaiza-mitantan’izao fitondrana Rajoelina izao? Tsy fahaiza-mitantana raha toa ka misy zaza milamina voakarakara sy misy hafa tsy voajery sy anjorom-bala, kanefa lazaina fa misy ny volabe kirakiraina ao an-tokantrano. Dia toy izany ny raharaham-pirenena, famitaham-bahoaka tsotra izao ihany ny filazana fa ny amin’ny fahaiza-mitantana, raha mbola misy izany toe-javatra rehetra izany.