Princie Ramanantsoavina – Milaza ireo fanamparam-pahefana ataon’ny ministra Lalatiana

Stefa

Vahiny tao amin’ny fandaharana Miara-manonja tao amin’ny Radio Mada, sy ny radio sy ny televiziona MBS omaly ny mpanao gazety Princie Ramanantsoavina. Tamin’izany no nitaterany ny hadalana ataon’ny ministra Lalatiana rehefa mitety faritra. Nambarany fa “mila matanjaka isika fa haka fahefana”, izany no teny alefan’ny ministry ny serasera amin’ireo mpiasa amin’ny haino amanjery, rehefa mitety faritra izy, araka ny resaka ataon’izy ireny. Izay no maha maika azy hifehy ny OJM, mba hakany fanjakana izay hoy ity mpanao gazety ity. Mametra-panontaniana izy: asa na fanjakana ho azy izany, na ho an’ny filoha ankehitriny?

Ankehitriny hoy i Princie, efa maro ny mpiasa nosoloin’ny ministra Lalatiana ho olon’ny antokony Freedom. Izao sahady izy dia efa manapotika amin’ny laingalainga, kanefa mbola resaka asa fanaovan-gazety, vao mainka ve raha mahazo fahefana? Angamba dia asa fotsiny. Rehefa natao ny famolavolana ny karatra maha -mpanao gazety dia ny teto Antananarivo ihany no nanara-dalàna, fa ny tany amin’ny faritra kosa dia nanaovan’ny ministra izay tiany natao, tamin’ny famoahana “arrêté “isak’izay mampety azy ho amin’ny tombontsoany. Eo koa ny finiavana tsy hanome herijika ireo mpanao gazety tsy miankina, satria tsy nisy fampahafantarana izay pitsompitsony rehetra mahakasika ny fifidianana, eny na hatramin’ny “caution” aza, dia 3 andro mialohan’ny fetr’andro farany hametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, vao nampahafantatina azy ireo.