Association des Femmes Journalistes – Mangataka fanemorana ny fifidianana ho filohan’ny OJM

Helisoa

Mangataka fanemorana ny fifidianana ny ho filohan’ny OJM, na ny filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, vaovao, ihany koa ny fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara, na ny Association des Femmes Journalistes.

Nivory ny biraon’izy ireo, ka izao no tapaka nandritra izany, izay notarihan’ny filohany Anny Andrianaivonirina:
– Mangataka report des élections na fanemorana ny fifidianana izy ireo.
– Mangataka assises de la presse, na fikaonandohan’ny mpanao gazety izy ireo ary vonona hikarakara an’izany.
– Manana kandidà ny vehivavy mpanao gazety, rehefa mazava tsara ny lalàna hitondrana ny fifidianana.
– Malalaka ny safidin’ny tsirairay, hoy ny fanambarana.
– Ary tsy misy koa ny “urgence », na ny hamehana.