Olan’ny tontolon’ny asan-gazety – Niantso vonjy tamin’ny «cellule de crise » i Monica Rasoloarison

Helisoa

Niantso Vonjy tamin’ny « Cellule de crise » i Monica Rasoloarison, taorian’ny fanambarana nataon’ny mpanao gazety ny alahady 3 oktobra teo tao amin’ny Karibotel Analakely.
Toy izao ny zava-nisy nandritra izany:
-Nahatsapa i Monica fa tena korontana ilay fifidianana hatao, ka niantso vonjy tamin’ny “cellule de crise” izy. Niaiky ny tenany fa tsy mety ny hirosoana amin’io fifidianana io aloha.
Niala teo izy dia nanaiky fa aleo hihemotra ny fifidianana, ka aleo aloha hikaon-doha, fa hiezaka handresy lahatra ireo ekipa ny tenany.

Nanaiky aza izy hoe hiaraka hivavaka amin’ny “cellule de crise” ny alarobia ary hanao fanambarana iraisana amin’izany , ka hifanome tanana fa tena simba ny asa. Naneho ny tahony ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy anefa i Monica hoe: halefa “affectation” na koa mety hanaovana antsojay hafa noho izay fanatonany ny “cellule de crise” izay.

Ilay OJM terena hajoro sy izy 93 ireo izany no hanamafy ny famotehana fiainan’olona aman-jatony (mpiasa ORTM noroahina) raha hatao amboletra ihany io fifidianana io, hanamafy ny tsy rariny, sy ny fanaovan’ny ministra ampihimamba ny haino aman-jerim-panjakana.

Ny “cellule de crise” dia nampanantena fa hiaro azy, saingy tsapa ankehitriny fa vao tsy lany akory izy dia efa Lalatiana Rakotondrazafy no mitondra ny baolina, hita sy tsapa ao ambadiny.