NY TONTOLON’NY SERASERA SY NY GAZETY

Misy zava-tsy milamina ny tontolon-tserasera.
Miakatra ny maripana, mihamitombo ny tsikera.
Tia mitsabaka toa lalitra ilay minisitra vedety,
Ka dia be no miaka-pofona ry zareo mpanao gazety.

Be ny zavatra namboariny ny amin’ny fombam-pifidianana.
Kandida iray natolony no tereny hotohanana.
Tsisy zavatra manjary, foana ny fahalalahana,
Fa ny tsindry avy any ambony no hany tokana mibahana.

Vao haingana fa tsy ela akory ity minisitra mpiahy,
No efa tena nihomehezan-dry zavavy sy zalahy.
Tonga hatramin’ny fitoriany ireo mpanao gazety namana.
Tsindry ve no tena tanjony ka natao ny fanandramana?

Ireo akama ve no tiana hibahana amin’ilay holafitra,
Ka ny fomba tena ambany no najoro ho tsara rafitra?
Raha izay dia azo inoana fa ny resa-politika
No hamotika indray ny serasera eto amintsika !

IRINA HO TAFITA (03-10-21)