Fitondrana Rajoelina tsy mahaloa volan’olona – Migrevy ny CNRO Nosy-Be, tsy nandray karama 10 volana

Stefa

Mitokona efa ho andro maromaro izao ny mpiasa any amin’ny CNRO: Centre National de Recherche Océanographique any Nosy-Be faritra Diana. Ny anton’izao grevy ataon’izy ireo izao, tsy nahazo karama 10 volana ireo mpiasa ao amin’ity foibe fikarohana momba ny ranomasina ity.

Raha ny angom-baovao voaray avy any Nosy-Be, mitaraina ny mpiasa ao amin’ity foibe hany tokana misy aty Afrika atsinanana ity. Tamin’ny taona 1954 izy ity dia nitondra ny anarana hoe ORSTOM, tamin’ny taona 1977 no natao ho CNRO mandraka ankehitriny. Manana mpiasa 67 eo, ahitana “Personnels Administratifs” et “Techniques”, sy mpampianatra mpikaroka ary ireo nisotro ronono. Misedra olana izy ireo ankehitriny, satria tsy nandray karama efa ho 10 volana ary efa notapahan’ny Jirama koa ny herinaratra noho ny tsy fandoavana “faktiora”.

Manoloana izany dia manao fitarainana amin’ny Ministera tomponandraikitra sy ny fitondram-panjakana foibe ireto mpiasan’ny CNRO ireto fa sahirana, satria efa tsy afaka mampianatra zanaka sy voaroaka amin’ny trano ary efa tapaka ihany koa ny jiro sy rano an’ireo mpiasa. Mitohy ihany arak’izany ny tsy fandoavan’izao fitondrana Rajoelina izao ny volan’olona.