Filoha vaovaon’ny OJM – Mety tsy ho raikitra ny fifidianana 16 oktobra izao

Niaina

Mijoro anohitra ny fanatanterahana ny fifidianana ny ho filohan’ny OJM, na holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara vaovao, ireo Mpanao gazety Maro nanao fanambarana tetsy amin’ny Karibo Hotel Analakely ny alahady lasa teo. Arak’izany, mety tsy ho raikitra ny fifidianana kasain’ny Ministeran’ny serasera hatao amboletra amin’ny 16 oktobra ho avy izao. Toy izao ny votoatin’izany fanambarana nataon’ireo mpanao gazety ny faran’ny herinandro teo io izany:

Fanambarana nataon’ny mpanao gazety

Manoloana ny tranga samihafa izay efa nisy teo aloha, tsy nahafahana nanatontosa ny fifidianana ny biraon’ny HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY (OJM) tamin’ny taona 2017, izay vao mainka miverina sy miampy amin’izao fotoana izao, izahay mpanao gazety dia mahita fa:

– Mitohy ary mihamafy ny fisandohan’andraikitra ataon’ny minisiteran’ny serasera amin’ny asan’ny holafitry ny mpanao gazety;
– Nampiditra andinin-dalàna tsy araka ny tokony ho izy, ao anatin’ny code de la communication, ny andininy faha-55 bis nouveau tamin’ny lalàna 2020-006, izay manilika ny mpanao gazety tsy hisitraka ny zo hirotsaka ho fidiana (non inclusive), ka manome vahana ny MCC irery hifehy ny OJM hajorony;
– Tsy miafina intsony ny kajikajy politika ataon-dramatoa minisitry ny serasera hampandaniany ny kandida tokana avy aminy ary indrindra hamotehana ny asa fanaovan-gazety;
– Fanahy iniana tsy nampahafatarina ara-potoana ny fitsipika sy ny fepetra hahafahana mirotsaka ho fidiana eo anivon’ny holafitra. Isan’izany ny tsy fampahafantarana ny fiantsoana firotsahana, fa avy hatrany dia ny daty fikatonan’ny fametrahana ny antotan-taratasy firotsahana, sy ny fampielezan-kevitra no nampitaina;
– Ny fanaovana tompon-trano mihono ny mpanao gazety amin’ny pitsompitsony momba ny fanatontosana ny fifidianana;
– Misy ny fanaovana ampihimamba sy fanararaotam-pahefana hatao amin’ny orinasa fanaovan-gazety, toy ny fitoriana ny orinasa La Gazette de la Grande Ile,

Ireo tranga ireo dia manamarika fa :
– Tsy ara-drariny ny fifidianana biraon’ny holafitra izay teren-ko masaka amin’izao fotoana izao;
– Tsy ho tombontsoan’ny mpanao gazety no nandrotsahana ireo olona narotsany anaty lisitra iray ho kandidà tokana, fa ho tombontsoa manokan’ny minisitra;
– Tsy hanana hery hampivondrona ireo mpikamban’ny holafitra vaovao ireo fa hampisaraka aza, ary azo antoka fa hamotika tanteraka ny asa fanaovan-gazety;
– Voageja ny mpanao gazety miasa eo anivon’ny orinasam-panjakana;

noho izany:
– Tsy azo ekena io fifidianana kasain’ny minisitera atao bontolo io. Ka takiana ny hanafoanana izany tsy misy hatakandro.
– Miantso ny ministera tsy hisalovana ny andraikitry ny rafitra izay hiaro ny zonay amin’ny asanay;
– Manohana ary miray hina amin’ny La Gazette de la Grande Ile, izay notorian’ny minisitry ny serasera mivady;
– Mitaky ny famerenana ny fahalalahan’ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana;
– Mitsangana manomboka androany, noho izany ny Cellule de crise, hiady sy hanohitra io fifidianana sarintsariny kasain’ny minisitera hametrahana ny biraon’ny holafitra io.
– Miantso ny mpanao gazety rehetra tsy an-kanavaka, izay mahatsiaro fa mila arovana sy tandrovana ny hasin’ny asa fanaovan-gazety, mba hanatevin-daharana ny tolona sy ny ady hotanterahan’ity Cellule de Crise ity.

Hanomboka avy hatrany ny hetsika ho tanterahan’ny Cellule de Crise ary tsy hijanona raha toa ka minia manampin-tsofina manatanteraka io fifidianana io ny minisitera.

Natao teto Antananarivo, androany 3 oktobra 2021