Fiainam-pirenena – « Misangôjy » tanteraka ny ao amin’ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Tena misangôjy na mifamahofaho tanteraka araka ny fitenin-jatovo azy ny ao amin’ny fitondrana ao, satria mifanipaka sy tsy mifanojo ny lazaina sy ny zavatra misy hitan’ny maso sy azo tsapain-tànana.

Raha ny tatitry ny minisitry ny vola sy ny toekarena nivoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra farany teo no jerena dia mamaritra tsara ny fitsinjarana ilay vola 332 tapitrisa DTS anjaran’i Madagasikara (tsy vola fandresen-dahatr’i Rajoelina Andry ny Tale jeneralin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena tsy akory ka nomeny azy). Ny nahavariana ihany koa ny voarakitra ao amin’ity tatitra ity ihany, nilaza fa efa narotsaka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny vola, toa manamarina ny voalazan-dRajoelina Andry tamin’ny kabariny teny Ivato, fa « tsy miandry rahampitso na amin’ny herinandro ny fampiasana azy fa ny androtr’iny ihany. Iaraha-mahalala anefa fa tsy nentin-dRajoelina Andry tao anaty valiziny izany vola izany.

Raha ny resaka « pipe line » any Atsimo no resahina dia efa tamin’ny taon-dasa no nanambarany fa hatao ity fotodrafitrasa ity. Tsy misy maha ratsy izany raha vita soa aman-tsara, satria hitondra fampandrosoana ny Faritra ary hampivoatra ny fiainan’ny mponina. Tsy mbola nanomboka anefa ny asa ary manararaotra ny tonom-bola avy any amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena dia manao toton’omby bory indray ary hanao ny tsy fanao indray ny filohan’ny Repoblika toy ny nataony raha nanangana ny Kianja Barea.

Tsy mbola mazava hatramin’izao avy taiza na avy tany amin’iza ny vola 77 tapitrisa dolara, satria fantatra fa tsy vola madiodion’ny Firenena (RPI) no nananganana ny kianja. Tsy vitan’izay fa avy amin’io tonom-bola io ihany koa no hanafarana ny sambo miisa roapolo hitatitra ny vary sy ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro. Mbola mampiseho ny fanararaotana ny tranga ihany koa ny fananganana fotodrafitrasa fiantsonan’ny “téléphérique” etsy Ankoronandro, kanefa ny fanaovana sonia ny fifanarahana (protocole d’accord) momba ny vola manodidina ny 150 tapitrisa euros no vita fa tsy mbola misy vaingam-bola tonga eto an-toerana. Ambonin’izany dia tsy maintsy ankatoavin’ny Antenimiera roa tonta anefa izay vao manan-kery sy havoakan’ny frantsay mpampindram-bola. Na izany na tsy izany dia tsy hitondra fampandrosoana ny Firenena iray manontolo ary fampivoarana sy fanatsarana ny faripiainan’ny vahoaka ity fotodrafitrasa ihazakazahan’ny filoha ity. Raha azon’ity filohan’ny Repoblika ity natao ny nandrimbona tamin’ireo vola azo dia efa natsangany koa ny ozinina fanaovana ny fiarakodia “gasy car”, saingy tsy mbola nisy azo nararaotina ho amin’izany.

Efa hatramin’ny tetezamita no tsy azo nampanamboloana fofom-bola izao fitondrana izao, fa mirifatra tsy voafehin’ny lalàna manan-kery. Tsy mahagaga raha maro ny mitaraina noho ny tsy fandoavan’ny fitondrana ny volan’ireo mpandraharaha nampananganana fotodrafitrasa, sy ny tsy fahafahany mandoa ny karaman’ny mpiasa any amin’ireo Oniversite, ohatra, satria tsy manam-bola izao fitondrana izao fa mbola tototry ny trosa nentiny nanaovana fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ary mitady làlam-bola hahafahana mamerina izany. Manampy trotraka izany ny vola tsy fanta-pihaviana nividianana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika narantiranty tamin’ny nanaovany fihanihanana izay azo inoana, fa tsy mbola voaefa toy ireo nividianana fiaramanidina ho an’ny tafika. Ny valala tsy an-tànana tsy hatolo-jaza kanefa dia nampanantenaina ny “puce”-na omby miampy ny fitaovana “drône” sy angidimby hahamora ny fanarahan-dia izay nangalarin’ny dahalo.

Tsy misy tanteraka izay “velirano” natao rehetra ka telo taona aty aorian’ny nandraisana ny fitantanana ny Firenena dia mbola mitohy manao fampielezankevitra ny filohan’ny Repoblika, ka misalotra fitafiana milokom-boasary, ka tsy toy ny filohan’ny mpiray Tanindrazana rehetra izy, fa filohan’ny antokony ihany. Tena marina tsy azo lavina fa ny vola tokoa no fototry ny ratsy rehetra, ka vao misy manangasanga any ho any dia miketriketrika ny atidohan’ireo manampahefana eto amin’ny Firenena amin’izay fomba handrimbinana amin’izany.