EDITO 5 oktobra – Fitantanam-pirenena : Fitondrana mampisy olana hatrany

Sôh’son

Mifamahofaho tanteraka ny eo amin’ny lafiny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, noho ny ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny serasera. Noho ny kajikajy politika ambadika izay misy tanjona tiana ahatongavan’ny fitondrana no anton’izany. Io ilay fomba fiasa miteraka olana mandrakariva sy mampisavorovoro eo amin’ny raharaham-pirenena hatrany. Tranga maro samihafa no efa nisian’izany tato anatin’ny telo taona latsaka, naha teo amin’ny fitondrana an-dRajoelina. Matetika dia ny fitondrana hatrany no manao zavatra na manapa-kevitra amin’ny raharaha iray izay miteraka olana lehibe eo anivon’ny firenena.  Anisan’izany, ohatra ny momba ny Colisée izay naorina an-tsokosoko eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, niteraka adihevitra be sy hasorenana na hatezerana sokajin’olona samihafa. Teo ihany koa, ohatra, ny saika nanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro teny amin’ny lemak’Ambohitrimanjaka, izay manana ny hasiny sy ny mampiavaka azy raha ho an’ny mponin’Antananarivo. Nisy hevitr’olona saika hitsahina an-tampon-doha fotsiny izao tamin’izany fotoana izany, saingy nahery ny fanoheram-bahoaka teny an-toerana. Niaraha-nahita sy nahalala tsara ny hetsi-bahoaka sy ny saika nanaovana ireo mponina teny Ambohitrimanjaka, fa tsy nihemotra hatramin’ny farany ireo. Izao indray ary mbola anaovana teny fanesoesoana, ny olona miara-dia amin’ny fitondrana no manao izany.

Izao fitondrana izao, ny mampiavaka azy, dia ny famoronana olana eo anivon’ny fiaraha-monina. Iaraha-mahita tsara hatramin’izao ny nanilihana ireo sokajin’olona teo anivon’ny fokontany maro samihafa tamin’ny fanatanterahana ny fitsinjarana ny lazainy ho fitsinjovana ara-tsosialy. Nisy ny sahirana mafy ny tokantrano, izay tena marobe tokoa, fa nodinganina sy niniana nikimpiana fotsiny izao. Ny fikambanana natsangan’ny fitondrana hiara-miasa aminy teny anivon’ny fokontany, zary namakivaky ny fiainam-piaraha-monina sy nampangozohozo ny firaisan-kina. Sehatra maro samihafa no manahirana eto amin’ny firenena napoitran’izao fitondrana izao. Ny mahavariana, tsy miahotra hatrany ireo mpanohana miara-dia amin’ny fitondrana miaro ny fitondrana amin’izay rehetra mitranga sy tonga mamono afo hatrany. Izao indray ireharehana ny hanatanterahana ny teleferika, kanefa tsy ny mponina Antananarivo sy ny manodidina rehetra no hahazo tombontsoa amin’izany. Zary tataovan-doza aza na ho sahirana mafy ny fiarakaretsaka na ny taxi amin’ny fivelomana ataony isan’andro. Dia avy eo indray hisy ny olana dia inona indray no ambaran’ny fitondrana. Ho hita eo ny fandehan’izany any aoriana kely.

Ity fitondrana ity, manao asa miteraka adihevitra be hatrany, fa tsy ny andrasan’ny vahoaka maika no ifotorany. Fitondrana tsy mahavaha ny olam-bahoaka iainany andavanandro izao fitondrana izao. Nambara mihitsy fa misy olam-bahoaka mampijaly azy isan’andro nandritry ny taona maro, ary tsy ho voavahan’izao fitondrana izao mihitsy na mbola hahazo famatsiam-bola be ihany koa aza izy.