RMDM sy TIM Menabe – Vonona hamerina an-dRavalo eo amin’ny fitondràna koa

Helisoa

Antoko velona sy miaina ny Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny faritra Menabe. Hita izany nandritra ny famelomamaso ny antoko TIM tao Morondava renivohitry ny faritra Menabe ny zoma lasa teo. Fahombiazana tanteraka ny fivoriana izay natao na nisy aza ny sakana teo amin’ny fanatontosàna ny hetsika, sy noho ny fahalaviran’ny toerana nivoriana ary amin’ny maha andro iasana ny zoma dia tonga marobe tao amin’ny Espace Ambanivohitra Morima Morondava, ireo solontena avy any amin’ny distrika miisa 5 mandrafitra ny faritra Menabe. Nanatrika ny fotoana tany an-toerana ny birao politika notarihan’ ny mpandritra nasionaly ny antoko TIM Rakotoniriana Jean Claude sy Andriamorasata Julien ary ny filoha lefitry ny TIM foibe any Toliara Me Helisoa.

Fotoambavaka lehibe no nanokafana ny fivoriana notarihan’ny mpitandrina tao an-toerana ary nanokatra ny fivoriana ny ben’ny Tanàna tokana TIM any amin’ny faritra Menaabe, avy amin’ny kaominina Ankondromena distrikan’i Miandrivazo, izay tena lavitra dia lavitra tokoa ny misy azy nefa tsy nataony sakana noho ny fitiavany ny antoko TIM. Rehefa izany dia nandray anjara fitenenana ny filohan’ny REG-TIM Menabe, Rivojaona Raherimiaja, nanambara fa vonona hamerina ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondràna i Menabe. Efa ho 3000 izao ny mpikatroka TIM nisoratra anarana ara-dalàna ao amin’ny distrikan’i Morondava fotsiny. Tsy vita mora anefa izany hoy izy, fa mitaky asa sy firaisankina.

Ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotoniriana kosa dia nisaotra ny TIM ao Menabe, satria hita porofo hoy izy fa velona sy matanjaka ny TIM eto Menabe. Na izany aza dia hamelomaso ny TIM isika ary izay hoy izy no asa atao manerana any Madagasikara. Ao anatin’izany dia hisy ny komity vonjimaika hiaran’ny rehetra miasa amin’ny fananganana ny FOKTIM dia miakatra miakatra ihany hifidy ny COM-TIM , DIS-TIM , REG-TIM. Ho antsoina ireo mpikatroka taloha nefa noho ny disadisa anatiny dia somary nihataka kely, ireo mpikambana efa mavitrika ary ireo mikasa ny hiditra ho mpikambana vaovao. Ao anatin’izany no hakana ny anaran’ireo mpikatroka rehetra hanamboarana ny karatra maha mpikambana ara-dalàna azy ireo. Ny mpikambana ao amin’ny birao politika nasionaly Julien Andriamorasata kosa no nitondra fanazavàna mikasika ny tokony hatao dieny izao amin’ny resaka fifidianana. Mila mailo amin’ny fijerena ny anarana ao anaty lisi-pifidiana.

Nisy ny fandraisam-pitenena sy fanontaniana nataon’ireo mpikatroka, izay nanitikitika azy ireo, fa dia novaliana avokoa izany. Fa ny tolak’andro ny zoma io dia nisy ny fikaonandoham-paritry ny RMDM tany Menabe, izay nitondràna ho fantatry ny rehetra ny fehin-kevitra tapaka nataon’ny RMDM nasionaly teny amin’ny BY PASS Antananarivo. Nitarika ny fotoana tany an-toerana ny filoha lefitry ny RMDM Toliara ny Pasitera Edouard Tsarahame. Fa nandritra ny fivoriana natao dia nisy ny fehin-kevitra nivoaka nataon’ireo mpizaika nandritra izany.