Fernand Cello – Tapaka connexion, any amin’ny cyber no manao asam-panjakana ny RNM sy TVM

Niaina

Mitondra fanehoan-kevitra momba ny haino aman-jerim-panjakana ny RNM sy TVM ny mpanao gazety Fernand Cello. Ambarany, fa toa tsy mandoa vola, kanefa misy dokam-barotra ny Emission Matinale, na ny fandaharana vao maraina ao amin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Tsy vao izao no nitranga ny toy izao hoy Cello, fa efa nisy izany teo aloha, mpiara-miasa tamin’ny minisitra teo aloha no nalefa am-ponja, noho ny fitantanana tsy mazava, ka isan’ireny ilay fandaharana Mazava Atsinanana tamin’izany. Ankehitriny dia re ihany koa hoy izy, fa tsy mandoa vola ny orinasa tsy miankina iray izay manao ny Fandaharana “Matinale “, fa toa rehefa mitsahatra hono ny fifanaraham-piaraha-miasa dia ho lasan’ny TVM ny fitaovana rehetra. Fa angaha moa tsy volam-panjakana no nividianana ireo fitaovana? Hoy ity mpanao gazety ity.

Azo heverina fa mety ho tsy mandoa vola ilay fandaharana kanefa angalana vola aty ambadika. Tsara ho fantatry ny rehetra aloha fa misy dokam-barotra ireny fandaharana ireny. Tokony hirotsaka ao amin’ny caisse ny Ortm ny vola, sa ve lasan’ny mpanao fandaharana? Ny toy izany hoy izy, no nampigadra an’ilay olona akaiky ny minisitra teo aloha, ka nahazo sazy an-terivozona. Re ihany koa ankehitriny, fa na ireo fitaovana vaovao, izay nomena tamin’ny volana oktobra 2019 hanatsarana ny kalitaon’ny asa aza moa lasa olom-bitsy no mampiasa azy, ny efitrano tokony hampiasain’ny rehetra dia bahanan’ilay tsy miankina, hany ka miafiafy ireo mpiasa. Hatramin’ny connexion tapaka ao amin’ny TVM sy ny RNM, ka lasa mandeha any amin’ny cyber ny mpiasa no manao ny asam-panjakana.

Ny zavatra hita aloha tato ho ato, mi-style, na mandeha amin’ny fiaramanidina: jet privé Ramatoa ministra Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy sy ny ekipany mametraka ny antokony dia ny antoko Freedom, ka sao laniny amin’izany ny volan’ny ORTM, ka na hatramin’ny fahana hanaovana internet aza tsy misy ho an’ny mpiasa. Tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay nanaovana, hoy ny fitenenana iray izay koa.