Alain Andriamiseza – Tsy azo ekena intsony ireo mpitondra mpanao kitoatoa

Niaina

Vahiny tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja tao amin’ny Radio Mada, ny Radio sy ny Televiziona MBS omaly ny filoha lefitry ny vondron’ny mpanohitra RMDM amin’ny Faritanin’Antananarivo, Alain Andriamiseza. Anisan’ny nambarany tamin’izany, fa tsy azo ekena intsony ireo mpitondra mpanao kitoatoa amin’izao fotoana, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina. Nambarany fa efa halohalika ny ranombary, ka tsy azo ekena intsony izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, fa mila mandray andraikitra ny tsirairay, satria rehefa mitambatra dia tsy misy mahatohatra ny onja ary izay lalana manakantsakana ho any amin’ny tena fampandrosoana marina no fahavalo. Tsy mahalala izay laharam-pahamehana ihany koa izao fitondrana Rajoelina izao hoy izy. Nosoritany fa betsaka loatra ny kitoatoa sy asa tsy milamina ataon’ny mpitondra, hany ka very fanahy mbola velona ny Malagasy. Ny vahoaka anefa no tompon’ny fahefana, ka rehefa tonga ny fotoana hiarahany manonja dia tsy misy hahasakana izany.

Goragora sy kitoatoa ihany koa ny fitantanana misy eto, tahaka ireny tany tsy misy mpitondra ireny. Amin’ny fomba ahoana moa no nananan’ny sivily “arme de guerre”? Mampiseho ny maha kitoatoa ny fitantanana sy ny tsy fitohizan’ireny raharaha fitifirana nitranga teny Ambatobe ireny izany, satria dia natao vita vita ho azy teny, hoy ihany ny filohan’ny antoko MCDM ihany koa.

Momba ilay minisitra tsy mahay teny Malagasy eto, amin’ny fomba ahoana no haneken’ny malagasy an’izany? Mazava tsara anefa ny voalazan’ny lalam-panorenana ny amin’ny fifehezana ny teny Malagasy. Ary tsy hisy Frantsay hanendry na firenena hafa hanendry Malagasy hitantana ny fireneny tahaka izao misy eto amintsika izao, hoy ity mpanao politika ity.

Mahakasika ny teleferika, fa maninona no tsy ireo fiara fitateram-bahoaka no hampiana dia hampidinina ny sarany, fa tsy mamorona zava-baovao izay lafo lavitra noho ireo kanefa ireo aza mila tsy ho takatra?

Misy ministra miteniteny foana koa hoy i Alain Andriamiseza, izay nilaza fa tsy tafiditra ao anaty tetibola ny kere, mety hisy hilaza koa izany fa tsy tafiditra amin’ny tetibola koa ny rivodoza atsy ho atsy. Volam-bahoaka no ampiasaina, kanefa any amin’ny tsy tokony ho izy avokoa no alehany.