Vaomiera Nasionaly Nosy Malagasy – Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ny Nosy Malagasy amin’ny Frantsay

Franck Razakambelo

Manohitra hatramin’ny farany ny fiaraha-mitantana amin’ny Frantsay an’ireo nosy Malagasy, izay tanim-pirenena, ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera Nasionaly ho an’ny Nosy Malagasy (VNNM). Nilaza Profesora Rasolofo René, mpikambana no sady mpitondra tenin’ny Vaomiera Nasionaly ho an’ny Nosy Malagasy, fa tsy misy fiandrianam-pirenena ho an’ny fanjakana Malagasy, raha toa ka hiverin-dalana hanao fiaraha-mitantana an’ireo nosy Malagasy miaraka amin’ny Frantsay ny fitondram-panjakana ary mampiahiahy ny olom-pirenena hoy ity farany ny fanehoan-kevitra nataon’ny filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony manoloana ny Firenena Mikambana, fa hanao zavatra hampitambatra ny firenena roa tonta ity farany, fa tsy hampisaraka manolona ny fitantanana ny “Iles éparses”. Nanamafy ny Profesora Rasolofo René, fa ahiana hirona mankany amin’ny fiaraha-mitantana an’ireo nosy Malagasy ny fifampiresahana mandeha amin’izao fotoana izao ary tsy hisy fanohanana an’i Madagasikara avy amin’ny firenena matanjaka na vondrona fanjakana intsony mikasika ny fitakiana an’ireo nosy Malagasy ireo, raha toa ka fantatr’ireto farany fa hifampiraharaha amin’ i Frantsa ny Malagasy amin’ny fitantanana ny “Iles Epares”.

Ankoatra izany, nanamafy ity mpitondra tenin’ny VNNM ity, fa tokony ho sahy hanohitra ny fanjakana Frantsay ny fitondram-panjakana, amin’ny fiaraha-miasa momban’ny tetik’asa “Télépherique”, izay tsy laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy akory ary tokony ho sahy hijoro hitaky ny famerenana an’ireo nosy Malagasy, fa tsy ho faly handray vola amin’izay fifanarahana ataon’ny firenena roa tonta, hany ka tafiditra amin’ny fandrika lalina avy eo.

Namarana ny fanehoan-keviny ny Profesora Rasolofo René, fa tokony hialana ny fomba fisainana milaza fa tsy manana tanjaka ara-tafika hifanandrina amin’i Frantsa i Madagasikara, manoloana ny fitakiana an’ireo nosy Malagasy, satria manao tsinontsinona ny Foloalindahy Malagasy izany fomba fisainana izany ary tokony ho saro-pady ho an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ny tombotsoam-pirenena amin’ny sahan’asa izay iandreketany, manoloana ny famerenana an’ireo nosy ireo, fa tsy hanome vahana ny firenena vahiny.

Tsiahivina fa efa nanambara ny firenena Rosianina sy ny vondrona Afrikanina ary ny vondrona “Sadc”, fa an’ny Malagasy ireo nosy Malagasy ireo, ka tokony hanao ezaka fanentanana sy fanohanana any amin’ny Firenena Mikambana, ho famerenana ny “Iles éparses” ho an’ny Malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao.