EDITO 30 septambra – Resaka fifamoivoizana – Mitaredretra ny fitondrana Rajoelina izao vao manapa-kevitra

Sôh’son

Mila manamboatra saina ity fitondrana Rajoelina ity, fa tsy mahay mamaha ny olana raha tsy efa mipoitra ny olana samihafa manjo ny vahoaka, sy rehefa misy ny fahafatesan’olona. Nambara, fa tsy taitra izy raha mbola omby tondro ny rovitra. Tsy misy miraika amin’izay izy rehetra. Fa rehefa miitatra ny fahavoazana vao mikoropaka sy mody maneho fihetsika ho ren-tany ho ren-danitra hamitahana ny olom-pîrenena. Miseho izany tamin’ireo loza nifanesy tamin’ny lalam-pirenena tato ho ato ary namoizana ain’olona maro. Efa nisy anie izany taona vitsy vao tsy ela izay, toy ny namoizina ireo zaza mpianatra teny Mahitsy, fa tamin’ireny mody nikoropaka ny tomponandraikitra dia vita teo avy eo. Dia taorian’izay, toa nilamindamina.

Efa nambara mandrakariva, fa ity fitondrana Rajoelina ity tsy mihetsika raha tsy misy zavatra lehibe mihetsika ary mahakasika ny sezany sy ny tombontsoany manokana. Fa raha mahatohina ny vahoaka dia fihatsarambelatsihy fotsiny ihany. Ny toe-javatra mifandraika amin’ny fifamoivoizana dia tena mitaredretra izao fitondrana izao vao manapa-kevitra. Miseho mazava tsara izany ankehitriny. Efa impiry no nisy sehon-javatra namoizina ain’olona tamin’ireo lalam-pirenena, fa mba nanisy teny na kely aza amin’izany ve ny filohan’ny Repoblika? Efa im-piry no nilazana fa tsy manao ny asany tanteraka ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana an-tanety sy ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety na ny ATT, fa tsy nisy fandraisana andraikitra ny amin’izany. Izany hoe, miara-mitsikombakomba amin’ireo mpitatittra na ny tompon’ny fiara na ireo mpamily sy mpiara-miasa aminy izy ireo? Efa miseho ny loza, ireo tomponandraikitra misahana ny fitaterana vao mody mamoaka fepetra samihafa isorohana ny loza. Tsy midika ve izany fa tena tsy fahaizana ny andraikitra? Ilay fepetra raisina indray avy eo toa antematemaka be ihany, satria tsy eo amin’ny fiaingàna anie no itarafana ny loza, fa any am-pandehanana efa mandeha mafy ireo fiara. Ny fototry ny olana izany dia any amin’ireo tompona fiara sy kaoperativa. Olana tsy voavaha mazava io hatreto.

Eto an-toerana, dia ambara mandrakariva, fa tsy miasa ary tsy mahavita ny asany io ATT io, ka tokony hosoloina hatrany amin’ny tomponandraikitry ny minisitera misahana ny fitaterana an-tanety. Matimaty foana ny olona. Tomponandraikitra amin’ny fahafatesan’ireo mpandeha ny eo anivon’ny minisitera sy ny ATT ary ny kaoperativa miandrakitra azy. Tokony ho antontan-taratasy lehibe iray izany tokony hiakatra eo anivon’ny fitsarana. Fa mirehaka ho tompon-daka amin-javatra tsy dia laharam-pahamehana loatra ny filohan’ny Repoblika, fa tena ampangaina amin’ny sehatry ny fifamoivoizana hamoizina ain’olona marobe. Tsy manan-tsiny ireo amin’ny ankapobeny, fa noho ny tsy fahaizan’ny fitondrana mifehy izany no olana.