Antoko Gasy Miara-Mandroso(AGMM) – Vitsy ny filohan’ny Repoblika nahay nitondra

Nangonin’Isambilo

Milaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Gasy Miara-Mandroso: AGMM, tarihan’ny Profesora Narison Stephan. Misy ny lasa mpitondra Firenena, na tsy dia nahita fianarana aza noho ny halabato: doublons, tsikombakomba niaraka tamin’ny HCC sy CENI, fividianana mpifidy, fampanantenana poakaty sy lainga nafafy tamin’ny promavandy, hoy ny fanambarana. Vitsy no tena nahay nitondra Firenena, sy nijery ny tombontsoa ilain’ny vahoaka maika ary tsy nijery ny tombontsoany manokana. Anisan’ny nahay nitondra i Angela Merkel (Allemagne) (docteur en biologie), hoy ny Profesora Narison Stephan, nohon’ny esprit scientifique (exactitude, rigueur, honnêteté) ananany, na tsy nianatra politika aza (physicien ny vadiny). Torak’izany koa ny Profesora Zafy Albert (docteur chirurgien), tsy nanodina vola nampanankarena ny tenany sy ny ankohonany.

Hitantsika Malagasy, fa tsy ny mpanohitra ihany, ny zava-miseho ankehitriny : scandales à répétition, na zavatra tsy manjary maro miverimberina, trafikana volamena, bois de rose, monopôle commercial na ampihimamba ara-barotra, fivarotana tanindrazana, fanodinkodinana volam-bahoaka sy ireo trosa marobe, maro ny tanora tsy manana asa, fiakatry ny vidim-pianana, lainga afafin’ny mpitondra sy ny manodidina azy, fitsarana mitongilana,… Ary misaotra ny technologie vaovao (réseaux sociaux), nahafantarana an’izany tranga izany, izay tsy afaka afenina toy ny taloha intsony. Koa tongava saina amin’izay Ra-Malagasy, hoy ny AGMM, fa aza mifidifidy fahatany noho ilay T-shirt, vola kely zaraina ho anao, concert gratuit na maimaimpoana amin’ny promavandy ary indrindra ny Fanatisme politique.

Fandrosoana lovain-jafy no ilaina, fa tsy trosa haloan-jafy, hoy ihany ity manam-pahaizana mpanao politika ity.