Filohan’ny OJM vaovao – Ajabak’i ministra “veta” amin’ny kizo ilay mpiasan’ny RNM

Ny Valosoa

Manjaka ny kitoatoa amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety vaovao, na ny filohan’ny OJM, ajabak’i ministra izay voalaza fa “veta” dia i Lalatiana Andriantongarivo amin’ny kizo ilay mpiasan’ny RNM dia ny mpanao gazety Monica Rasoloarison. Nivoaka ny anaran’ny mpirotsaka ho fidiana ho Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety, izany Monica Rasoloarison izany, no hany kandida tokana nametraka ny firotsahan-kofidiana, ary efa nandoa ny saram-pirotsahana mitentina 3 tapitrisa Ariary, vehivavy io kandida io ary manana mpilatsaka ho fidiana 92 miaraka aminy dia ireo kandida 4 isam-paritra, mahatratra 93 no fitambaran’ireo mpiray lisitra, ny isam-paritra dia ahitana filoha lefitra1, mpanolotsaina1, mpitahiry vola 1 ary sekretera jeneraly1.

Tsy mbola nisy ohatr’ity hatrizay nanaovana hoy ny fitenin’ireo be vazivazy, satria sambany teo amin’ny tantaran’ny holafitra no nahitana fifidianana tsy nisy kandida afa-tsy iray. Voaporofo izao fa matoa tsy misy milatsaka ho fidina ireo mpanao gazety matihanina sy vonona hampandroso ny asa fanaovan-gazety, dia samy mahatsapa ny kajikajin’ny minisitra Lalatiana amin’ny fampidirana olona ho ao amin’ny Ceni, io no maha mendy an-dRamatoa minisitra sady mbola ao dia ao ny fitiavana hangeja hatrany ny fahalalahana maneho hevitra.

Efa mazava ny tarehimarika, fa matoa tsy misy ny mpirotsaka ho fidiana, dia tsy maintsy ho vitsy ihany koa ny ho tonga hifidy, ny azo antoka dia ireo olon’ny fitondrana no handray anjara amin’ny fandatsahambato, tsy iza ireo fa ny mpanao gazety avy amin’ny Haino vaky jery miaradia amin’ny fitondrana, miampy ireo mpanao gazety avy amin’ny Rnm sy Tvm, izay matahotra ny kapoakany ary ireo mpiasan’ny minisitera izay nomena karatra fahatany, hampitombo ny vato ho azon’ny kandidan’ny minisitera, izay fantatra fa tsy manao ny asa fanaovangazety akory ireo.

Amin’ity fifidianana indray maka ity ihany koa vao hitranga ny hoe, ny isan’ny tonga mifidy dia ho resin’ireo nitokona tsy nifidy, ary mety hiseho ihany koa ny hoe resin’ny vato fotsy ny vato azon’ilay voafidy.

Efa mahazatra ny mpitondra ankehitriny ary tsy mahamenatra azy ireo ny mandresy amin’ny fifidianana feno hosoka, na izany aza tsy tokony hipetra-potsiny ireo mpanao gazety manaja ny ara-dalàna sy mandala ny fahalalahana, ka inoana fa tsy maintsy hitaky ny mangarahara amin’ny lafiny rehetra.

Tokony havoaka ampahibemaso ny anaran’ireo mpirotsaka ho fidiana miisa 93, ary indrindra ny anaran’ireo mpanao gazety nahazo karatra miisa 1509, ary havoaka miaraka amin’ny anaran’ny orinasan-tserasera iasan’ireo lazaina fa mpanao gazety ireo.

Rahampitso alarobia 29 Septambra 2021 no hambara ny maha ara-dalàna na tsia ny firotsahan’io lisitra tokana io, dia ho hita eo izay hivoaka eo, fa ny azo ambara aloha dia afa-baraka ny asa fanaovan-gazety malagasy vokatry ny ataon-dRamatoa minisitra Lalatiana. Mbola tsy tratra aoriana raha izao no ahantona sy foanana any aloha io fifidianana kasaina hatao io, tokony halamina aloha ny olana fototra amin’ity raharaha fanaovan-gazety ity, tsy tokony ho tsabahan’ny ministera.