Fanabeazamboho sy fameloma-maso antoko – Nihetsika ny TIM Fianarantsoa sy ny vehivavy TIM Toamasina

Helisoa

Manerana an’i Madagasikara dia misy ny hetsika fameloma-maso sy fanabeazamboho ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hanambarana ny mpikambana teo aloha sy ankehitriny ary ireo izay maniry hiditra ao anatin’ny antoko. Efa nanambara ny birao nasionalin’ny antoko, fa vonona haka fahefana ny TIM, satria izay no atom-pisian’ny antoko, ka ny tanjona amin’izany dia ny hampandrosoana ny firenena indray, izay latsaka ao andavaka ankehitriny, vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ataon’ny mpitondra. Nisy araka izany ny hetsika famelomamaso na redynamisation tany Fianarantsoa. Velona ary mbola mijoro ary manana ny tanjany ny antoko TIM eto Fianaratsoa hoy ny dokotera Elysé Zanabahoaka, filoha lefitry ny TIM nasionaly faritany Fianarantsoa. Vonona ny zanak’i Fianarantsoa hamerina ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondràna indray, satria izy no hitanay hoy izy fa tena ho afaka hampandroso marina an’i Madagasikara. Eto izahay hoy dokotera Elysé dia misaotra ny filoha nasionalin’ny TIM, ny filoha Marc Ravalomanana, nanome ny toromarika entina hanatsaràna ny fomba hitantanana ny antoko.

Vehivavy TIM Toamasina

Rantsana lehibe ao anatin’ny antoko Tiako i Madagasikara ny vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), satria izy ireo no maro an’isa no sady mahatsapa ny fahasahiranana mahazo ny ao an-tokantranony. Resy lahatra ireo vehivavy TIM, fa ny filoha Marc Ravalomanana, no efa azo notsapain-tanana ny fitsinjovany ny vahoaka Malagasy tamin’ny fotoana nitondràny ny firenena, saingy nosomparan’ny mpanongam-panjakàna. Noho izany, nijoro ny faran’ny herinandro teo ny vehivavy TIM ao amin’ny disitrikan’i Toamasina voalohany, izay misy firaisana 5. Nilaza ny depiote teo aloha Blandine Voizy, fa vonona tanteraka handray ny andraikitra tandrify azy ho famelomamaso ny antoko TIM, sy hitondra ny anjara birikiny ho fanarenana ny firenena ny Vehivavy Tiako i Madagasikara. Handeha hidina eny amin’ny fokotany ireo fikambanam-behivavy TIM hanamafy ny fototra sy hitaona ny namany hiditra ao anatin’ny vehivavy TIM. Ny tanjona amin’izany dia hanamafy ny dingana sy hanatsara ny fari-piainan’ny vehivavy ao amin’ny antoko amin’izao fahasahiranana mahazo izao.