Filoha Rajoelina Andry – Ny toetsainy 12 taona lasa ihany no mbola iainany

Andry Tsiavalona

Ny tsy vitan’ny mpitondra nifandimby nandritra ny 60 taona tokoa, no ataon’ny filohan’ny tetezamita nomen’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny fahefana amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Tsy gaga loatra ny mpanaraka sy mpamakafaka ny toe-draharaha politika, raha tsy misy fivoarana na kely aza ny fisainana sy fanavahana izay mety sy tsy mety tsy maintsy atao hamoahana ny firenena ao amin’ny laharana misy azy izao raha ny fahantrana no resahina. Nihambo ity filohan’ny Repoblika ankehitriny ity, fa nahatsangana zavatra maro: toeram-piofanana ho an’ny vehivavy, CSB, sekoly,… na dia tsy nahazo fanampiana avy any ivelany aza. Tsy vitan’izany fa nampanantena hametraka teto an-drenivohitra irony fitateram-bahoaka “tramway” irony izy. Nividy fiaramanidina Air Bus 340 roa hanatsarana ny fitaterana an’habakabaka sy hanosehana ny orinasam-panjakana Air Madagascar. Nialohan’izany dia namidy tamin’ny vidiny ampahatelon’ny nividianana azy ny Boeing Air Force 2, izay natokana hitondra ny Filoham-pirenena sy ny delegasiona niaraka taminy, nialàna tamin’ny fangalana ny fiaramanidin’ny Air Mad isaky ny nisy nilana izany. Iaraha-mahalala ny toetr’ireo fiaramanidina ireo amin’izao fotoana izao. Notereny nanome vola ho an’ny fitondrana ireo orinasa vahiny: Ambatovy, mpitrandraka vy any Soalala. Ireny vola azony tamin’ny didin-kofehy lehibe ireny no nentiny nanao ireo zavatra nampanantenainy ireo na dia tsy nisy nangarahara aza ny nitantanana izany. Tsy mahagaga izany ary raha nanambara tamin’ny fomba ofisialy izy, fa raha ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no mbola hihanteherana amin’ny fampandrosoana ny Firenena dia na amin’ny 2030, na 2050, na 2060 aza dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara.

Raha fantatra ny niavian’ny vola tamin’ny nividianana Air Bus 340 dia maizina tanteraka kosa izay nividianana ireo lohamasinina nomena ny Madarail ho an’ny zotra an-dàlamby FCE (Fianarantsoa Côte Est) ary diso fanantenana tanteraka ireo mpampiasa fiaran-dàlamby amin’izao fotoana izao, satria efa ho 24 ora no ampitohizana an’i Fianarantsoa sy Manakara. Azo tsy nisasarana avy any amin’ireo fikambanana iraisam-pirenena ihany koa no nentin’izao fitondrana izao niatrika ny valanaretina covid-19, sy ny kere any Atsimo, hany ka tsy nisy nangarahara ny nampiasana izany ary tsy fantatra nankaiza na nampiasaina tamin’ny inona ny antsasaky ny iray miliara dolara. Tamin’ity volana septambra 2021 ity dia nisy ny findramam-bola manodidina ny 150 tapitrisa euros, ny findramam-bola nataon’ny minisitry ny Vola sy ny Toekarena sonia, natrehan’ny filohan’ny Repoblika, tany Parisy hanamboarana ilay “téléphérique” eto an-drenivohitra, sy hampitomboina ny famokarana angôvon’aratra any Mandraka. Ny azo antoka dia tsy hampihena ny fitohanan’ny fiara sy ny fifanjevoana amin’ny fakana taksibe izany fitaterana izany na dia tombanan’ny ao amin’ny minisiteran’ny fitaterana fa ho afaka hitatitra olona 4 alina isanandro aza ity karazana fitaterana mikorisa eny ambony eny ity.

Tsy misy afaka mandà ihany koa fa tsy hisy olona miisa efatra alina izany no manana tetibola ao an-tokantrano hatokana ho saran-dàlana mitentina telo arivo na efatra arivo ariary (3000 Ar- 4000Ar) isaky ny mandeha izany. Ny “bus-luxe”, na “bus class” amin’ny saran-dàlana dimanjato sy arivo ariary (1500 Ar) aza tsy misy mpandeha. Tamin’ny kabariny tany amin’ny Firenena Mikambana dia nanambara indray ny filohan’ny Repoblika, fa efa eo an-dàlam-panamboarana ihany koa ny “train urbain” (mba tsy namerenana ny “tramway”) eto an-drenivohitra. Toa midika izany fa tsy nisy fiantraikany ratsy teto amin’ny Firenena ny fandalovan’ny valanaretina covid-19, ka nanamafy izany ny nireharehany fa voatsangana ny kianja filalaovam-baolina tsara indrindra aty Afrika (na dia tsy mitafo aza). Ny azo antoka dia tsy hampiova na hanatsara ny fari-piainan’ny sarambabem-bahoaka, na hampiakatra ny harinkarena faoben’ny Firenena ireo tetikasa ireo.

Reharehan’ny filohan’ny Repoblika ihany koa ny nahazoan’i Madagasikara (tsy Rajoelina Andry akory) ny fanampiana avy amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) vola mitentina 332 tapitrisa dolara hoentina miatrika ny aorian’ny covid-19. Firenena farany mahantra sy farahidiny isika eto Madagasikara matoa homen’ny FMI io vola io. Manaporofo fa tsy manan-tsaina afa-tsy bizina izao fitondrana izao ny momba ilay fanambaran’ny Minisiteran’ny Vola sy Toekarena, fa homena ny tsy miankina ny fitantanana ny sampandraharan’ny hetra sy ny fadintseranana, izay loharanon’ny fampidiram-bola hoentina mampihodina ny raharaham-pirenena. Tsy hiditra ao amin’ny Tahirimbolam-pirenena intsony izany ny vola azo avy amin’ny hetra sy fadintseranana, fa harotsaka any amin’ny tsy miankina ka hangataka izay hampiasainy ireo sampandraharaham-panjakana rehetra.

Raha fintinina dia toa hantahanta-jaza, tsy misy fahamatorana, ny fitantanana ity Firenena ity kanefa rehefa dinihana lalina dia mampiasa saina mafy ireo atidoha (cerveaux) ao amin’ny fitondrana ao hanodinkodina ny fananam-bahoaka ho amin’ny tombontsoany.