EDITO 28 septambra – Seranam-piaramanidin’Ivato – Natao ihomehezana sisa ny bala roran-dRajoelina

Ny Valosoa

Omaly alatsinainy 27 Septambra 2021, no tafaverina an-tanindrazana Ingahy Filoha Rajoelina, tonga avy nanatrika ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-76 tany New-York Etazonia, sy ny fanaovantsonia ny fitrosana vola tamin’ny frantsay tao amin’ny Quai d’Orsay tany Paris.

Toy ny mahazatra azy dia ireo mpanao gazety efa voafantina hatrany, no nanatrika ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, nataon’Ingahy Filoha teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato, ny dikan’izany dia fanontaniana efa voaomana no nivoaka tao, satria tamin’ity indray mitoraka ity, tsy nisy intsony ny Fmf nanilihana sy namiliviliana resaka, ka ny fanontanin’ireo mpanao gazety azony antoka ireo no nianteheran’Ingahy Filoha.

Mikasika ny vola 332 Tapitrisa dolara Amerikana na 236 Tapitrisa Dts dia vola avy amin’ny (FMI), na Tahirimbola Iraisampirenena, izay vola tsy azo ampiasaina avy hatrany, fa vola natao hiantoka ny tahiry ao amin’ny Banky Foibe, satria izay no fandaminana eo amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena, ka ny FMI no miantoka ny fahamarinan-toeran’ny vola any amin’ny Banky Foibe, fa ny Banky Mondialy no manome vola hamatsiana ireo tetikasa fampandrosoana. Nanome vola ny FMI satria efa tena ambivitra ny tahirimbola vahiny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara no dikany, vokatry ny valanaretina coronavirus, sy ny krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy ary ara-bola naterak’izay.

Ingahy Filoha anefa dia efa nidehaka mafy ery fa vola azo jifaina avy hatrany hono io 236 Dts io, matoa anefa natao amin’ny Dts (Droits de Tirages Spéciaux) ilay sorabola dia tsy vola natao ho kirakiraina io. Tsikaritra nandritra ny fandraisampitenenana nataon’Ingahy Filoha, ny fanantitranterana mafy ny hoe vola tsy trosaina io vola io, satria efa tena nalilo ny sofiny mikasika ny fitrosambola tsy hitondra soa ho an’ny vahoaka amin’ ny fananganana ilay “téléphériques”.

Dia mbola nitohy hatrany ny bala rora toy ny filazana fa hisy sambo roapolo hono, ho tonga avy any ivelany hitondra ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro na (PPN), izay hita fa resaka matavy toy ny “digitalisation” afaka 20 andro sy ny fampidinana ny vidin’entana afaka telo andro, tsy ireo ihany fa maro ary tsy ho tapitra raha tanisaina etoana avokoa ny fampanantenana efa heno. Arak’izany dia natao ihomehezana sisa ny bala roran’ity filoha mpandainga ity.

Tsy nisy mpanao gazety sahy nanontany an’Ingahy Filoha , mikasika ny fahavitany vaksiny, kanefa dia voaporofo fa matoa afaka niditra nalalaka tany Etazonia ary nahazo niakatra ny piolopiotran’ny Firenena Mikambana nikabary izy dia efa vita vaksiny izany.

Ny vahoaka maro an’isa dia efa samy tonga saina amin’ny bala roran-dRajoelina, hany ka natao fihomehezana sisa ny mihaino azy, kanefa ihany koa dia tsy vitan’ny mihomehy fotsiny ireo vahoaka ireo, fa mamakafaka sy mitadidy ihany koa ary efa mahalala ny hitondrany ny safidiny amin’ny ho avy.