ILAY TELEFERIKANAO

Moa hiverina handohalika amin’i Lafrantsa indray,
F’angaha tsy firenena afaka Madagasikarantsika?
Sa tsy maintsy izay no lalana, ry mitonona ho mahay,
Mba hahazoana volabe ho amin’ilay teleferika?

Izany ve no mahatonga anao hietry sy handrorona?
Dia haetrinao toy izay ny atao hoe “hasim-pirenena”?
Mihevera, mihevera, aza ny gasy no atao sorona,
Vokatry ny tsy fahaizana, indrindra ny fitiavantena!

Ireny fihetsikao ireny, moa tsy “sarim-pitanjahana”,
Eo imason’i Frantsa sy izao tontolo izao?
Mba ianaro “ny aro fenitra”, misy fomba ifanarahana,
F’aza tia manao bontolo sy manao ny tsy fanao!

…’Lay teleferikanao, angaha io hani-mahavoky
Ka hanala anay vahoaka tsy ho fatin’ny hanoanana?
Aoka izay ny laingalainga sy ny fanomezan-toky.
Tsy io no hitondra anay vahoaka ho amin’ny lalam-piadanana!

TSIMIMALO (26-09-21)