160 taona nidiran’ny katolika teto an-drenivohitra – Nahazo pretra 13 sy diakra 17 ny Arsidiôsezin’Antananarivo

Isambilo

Nankalazaina ny alahady 26 aogositra lasa teo teny Soamandrakizay ny faha-160 taona nitsimohana, na nidiran’ny finoana katolika teto Antananarivo. Raha ny tantara, nigadona voalohany teto Antananarivo ny Mompera Weber tamin’ny 23 septambra 1861, rehefa niamboho ny Mpanjaka Ranavalona I. 3 herinandro taorian’izay, izany hoe ny 12 oktobra dia tonga ny Mompera Jouan, izay voatendry ho “Préfet Apostolique” nanomboka ny 13 aogositra 1850.

Araka izany, feno 160 taona amin’ity taona ity ny nahatongavan’ny misionera Zezoita voalohany teto Antananarivo. Izy ireo no namaky lay ny finoana katolika teto an-drenivohitra. Nisantatra ny andrana tany am-piandohana ireo misionera Portugais tamin’ny Fikambanana Dominikanina, izay tonga teto ny 10 aogositra 1506, ka niantso an’i Madagasikara fahiny hoe Nosy Masindahy Laurent. Fahavelon’i Masindahy Vincent de Paul, izay nanorina ny Fikambanana Lazarista tamin’ny taona 1625, no nahatongavan’ireo Misionera voalohany teto Madagasikara.

Noho izay fotoan-dehibe ho an’ny Arsidiôsezin’Antananarivo izay, nisy ny lamesa lehibe notarihan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona teny Soamandrakizay ny alahady teo, tamin’izany koa no nanamasinina pretra miisa 13 sy diakra miisa 17 ho an’ny Arsidiôsezy.