Mpandainga ny filoha – Tsy tafiditra tany New-York Rajoelina raha tsy vita vaksiny

Ny Valosoa

Niakatra ny piolipitran’ny Firenena Mikambana Ingahy Filoha “sans qualité”, io no fiakarana voalohany nataony taorian’ny “nahavoafidy” azy ho filohampirenena, satria ny taona 2019 dia ny Praiminisitra Ntsay Christian no tany ary ny taona 2020 dia mbola ny Praiminisitra ihany no niteny tamin’ny alalan’ny visioconférence.

Sambany teo amin’ny fiainan’Ingahy Filoha io fiakarana piolipitra io, satria tamin’ny taona 2009 fony izy Filohan’ny Fat, raha nilingilingy namonjy ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-64 izy dia tratran’ny hoe mbay tany fa “sans qualité”, nofy ratsy ho an-dRajoelina izany mankany New-York izany. Tamin’ity indray mitoraka ity aza dia mbola nitoetra izany maha-“sans qualité” azy izany, satria nandainga, namita-bahoaka, satria nanao vaksiny ny filoha Malagasy, nefa ny vahoaka no namporisihany hisotro ny mangidy CVO, tsy mbola nisy tranon-dainga ohatr’izany. Tsy tafiditra tany Etazonia mihitsy Rajoelina raha tsy nanao vaksiny.

Marihina dieny mialoha, fa matoa izy tafiditra tao an’efitrano ka afaka nandray fitenenana dia mazava fa nanaraka ny fepetra napetraka sy nifanarahan’ny rehetra dia ny fanaovana vakisiny izany, noho izany dia tokony hanambara ampahibemaso amin’izay Ingahy Filoha f’efa vita vaksiny soa amantsara ny tenany.

Tsy maintsy vita vaksiny vao tafiditra any amin-dry Bekintana, ary vaksininy no tokony ho natao dia ny Pfizer Bion-tech. Ny sinoa manana ny vaksininy Sinopharm, tsy eken’ny Amerikana izany, izay no tsy nahatonga ny filoha sinoa Xi Jinping tany New-York, fa tamin’ny alalan’ny visio-conférence no nikabariany tao amin’ny AG ny ONU.

Mikasika ny kabarin’Ingahy Filoha dia ny efa nampoizina no nitranga toy ny hoe: noraofina tamin’ny sobika ny hadisoana, ny fidedahana, mandoka tena tsy ferana intsony, satria fady amin’ny sehatra toy ireny ny fampiasana ny “je suis”, ny rediredy mitanisa ireo zava-bita toy ny kianja, sns… dia nampisitri-belona, tsy ho tapitra raha tanisaina avokoa, fa ny fehiny dia tsotra sady mazava, tsy voafehin-dRajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ny antsoina hoe diplomasia.

Fa anisan’ny nitsofan’ny mpomba ny fitondrana mozika ny fahazoana ilay vola mitentina “332 tapitrisa dolara” vola fanampiana avy amin’ny FMI, natao hiatrehana ny ao aorian’ny aretina, ny firenena rehetra dia samy nisitraka io fanampiana io, indrindra fa ny toa antsika izay “Firenena Mahantra Indrindra (FMI)”.

Antenaina fa hivoatra amin’izay ny fomba fitantanana io fanampiana io, mba hisy amin’izay ny mangarahara tsy toy ny teo aloha .