Filoha Ravalomanana – Voatohintohina indray ny fahafahany mivezivezy

Stefa

Mitohy indray ny fanaovan’ny fitondrana Rajoelina antsojay ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fanohintohinan’ireo mpitandro filaminana ny fahafahany mivezivezy. Nitranga izany tany amin’iny lalampirenena faha-7 iny, tany Andranomanelatra afak’omaly.

Na dia nisy aza ny fanambarana hentitra efa nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny 7 jona lasa teo ny antony tokony hanatsaharana ny antsojay sy ny ramatahora ataon’ ny fitondram-panjakana aminy dia mitohy hatrany ny andrimaso sy ny sakantsakanana natao azy tany amin’ ny lalam-mpirenena faha-7.

Mandany andro sy fotoana miambina azy ny fitondrana. Tratry ny tsy nampoizina indray anefa ireto zandary, satria dia nanatri-maso ny sakana ny masoivoho iray izay tafara-dalana taminy nandritra io fotoana io. Marihana fa ny lalàna laharana faha-2013-01 dia mamaritra mazava tsara ny sata mifehy ny zo ananany amin’ ny maha Filoha teo aloha ny tenany, ka tokony ho afaka mivezivezy malalaka tsy ho sembatsembanina.