Tanora RMDM – Sokafy amin’ny mpanohitra ny RNM sy TVM

Helisoa

Vahinin’ny fandaharana SAHIA LASA IZAO, tao amin’ny radio sy ny fahitalavitra MBS ary ny Radio Mada, ny mpitondra tenin’ny tanora RMDM, Nambinina Raherimampianina.

Nanambara ity tanora mpanao politika mpanohitra ity, fa mitsangana ho mpanohitra izahay hoy izy, satria tsapanay fa betsaka ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena. Maro ny fampanantenana natao fa tsy misy tanteraka izany. Maro ny tanora very asa, fa tsy misy ny vahaolana aroson’ny fanjakàna, fa vao mainka aza idiana ny orinasa Malagasy. Tsy mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny vahoaka Malagasy ny fotodrafitr’asa atsangan’ny mpitondra ankehitriny. Fitondràna mampiditra trosa no misy amin’izao, ka tsy eken’ny tanora RMDM. Lazaina hoy Nambinina Raherimampianina, fa olona 30 na 40 no mpikambana ao amin’ny RMDM, omeo alalana izahay amin’ny toerana malalaka ahafataranareo fa marobe izany RMDM izany.

Ny hita eto Madagasikara dia tsy misy ny demokrasia, tsy malalaka ny fanehoan-kevitra. Ohatra amin’izany ny nitranga tany Antsirabe farany teo. Mpitandro ny filaminana marobe no hita nandritra ny fikaonandoham-paritry ny MRDM tany an-toerana. Mangataka izahay tanora RMDM, sokafy ny haino amanjery TVM sy RNM hanehoan’ny mpanohitra hevitra, satria an’ny Malagasy rehetra izany onjampeom-pirenena izany.

Natintrantrerin’i Nambinina Raherimampianina, fa mila tanterahina ny fehin-kevitra nivoaka na nandritra ny fikaonandoha nataon’ny RMDM manerana an’i Madagasikara teny amin’ny BY PASS ny 23 sy 24 jolay dia ny fametraham-pialàn’ny mpitondra ankehitriny, izay tarihan’i Andry Rajoelina, satria betsaka loatra ny tsy fanarahan-dalàna ataony nandritra izay 2 taona sy tapany mahery nitondràny ny firenena izay.