IREO MANODIDINA NY FILOHA

Tsy misy horaisina daholo ireo izay manodidina azy,
Indrindra ireo akohovavy fatra-pampidera ny elany!
Hita izao fa efa ratsy, tena tokony ho voasazy,
Saingy mbola ampandosirina sy omena toerana any ivelany!

Tsy mba ny olona madio hanoro ho amin’ny lala-marina,
Fa ‘reo efa ratsy laza no mamikitra ao an-dapany.
Toa vao mainka hanosika azy hikodiadia, hivarimbarina,
Saingy hatreto, mahagaga, tsy ao an-tsainy sy tsy tsapany!

Tsy misy horaisina daholo ireo izay manodidina azy,
Dia ireo zatra mifanohana amin’ny bizina maloto.
Izao no resaka mandeha, (tsy sanatria hoe vazivazy),
Tena fitondràn-dahalo, fitondràn-jiolahimboto!

Iretsy mba “mpahay lalàna” sy ireo “atidoha” sakaizany,
Efa tena mampisento ny olo-manam-pahendrena!
Amin’ny ratsy no ampiasàny ny traikefa sy fahaizany?
Tena hoe nidiran-doza izato ianao ry firenena!

DADAN’i RIANA (26-09-21)