HIVOAKA ANY IVELANY INDRAY IANAREO ?

Efa tena mahakivy raha vao hoe ‘nareo no hivoaka.
Hisy bizina indray sa hisy afera be hipoaka?
Tena izany foana manko no nitranga tato ho ato.
Lasa manana tantara ny seranana eny Ivato!

Nodradraina fa dia hoe mikatona ny sisintany,
Kanjo isan-kerinandro, misy miditra hatrany.
Ireo mivoaka moa tsy ferana, mody tsy mikatrokatroka,
Fa manao ny danin’ny kibony ireo karana “bory satroka”!

Efa tena mahakivy raha vao hoe ‘nareo no hivoaka.
Horonantsary ahoana indray no mety ho hitan’ny vahoaka?
Ho faty ve ny camera ka ny mpisava hiala maina?
Iza indray aminareo no sahy handà tsy hosavaina?

Izany sy ny toy izany no miseho miverimberina.
Tena tsy afaka ny loto fa vao mainka tandalerina.
Tsy mba ny olon-tsotra akory no mpandika ny lalàna,
Fa mazàna ianao akaiky sy ao anaty fitondrana!

DADAN’i ZINA (23-09-21)