Fonja politika no misy eto – Tsy voahaja ny maha olona, marary Mbola Rajaonah

Ny Valosoa

Efa notaterina tamin’ny laharana mialoha an’ity ny fahafatesan’ilay voampanga noho ny raharaha “famonoana tompon’andraikitra ambony”, izay notazonina teny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, mibaribary fa dia misy dia misy tokoa ny tsy lavorary eo amin’ny fomba fitantanana ny fonja eto amintsika.

Ny tena olana amin’ny raharaham-pitsarana sy ny fonja eto amintsika amin’izao fitondran-dRajoelina izao, dia ny fidiran’ny politika diso tafahoatra, ka tsy voahaja intsony ny lalàna sy ny zo mahaolona, ny vaovao farany avy eny Tsiafahy izao dia marary mafy i Mbola Rajaonah, kanefa dia mbola mifangaro amin’ny sarababembahoaka, tsy voajery ny mahaolona, fa ny firehana politikan’ilay voafonja no omen-danja.

Nirehareha Ingahy Filoha, fa nahatsangana fonja manarapenitra tetsy Imeritsiatosika, kanefa ny fonja rehetra manerana an’i Madagasikara tsy voahevitra ny fanatsarana azy, satria miaina ao anatin’ny tsizarizary ireo voafonja , manginy fotsiny ny fitanilana vokatry ny fomba fijery politika sadasada .

Nesorina tamin’ny toerany ny minisitry ny fitsarana teo aloha Andriamahefarivo Johny, ka nosoloina an’Ingahy Imbiky Herilaza, izay efa Sekretera Jeneraly tao amin’io ministera io, ary efa nirotsaka ho filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara, saingy resin’i Fanirisoa, tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny, fa ny tiana hambara dia mpitsara nahavita fianarana, nianiana ara-dalàna Ingahy minisitra ankehitriny, koa antenaina fa handeha araka ny tokony ho izy amin’izay ny raharaha fanenjehana ireo namana mpanao gazety toa an’i Rolly Mercia sy Andrianjato Vonison, ny iray ministra teo aloha migadra, ny iray ministra teo aloha miafina noho ny fanenjehana politika ihany.

Ny fanirian’ny olompirenena rehetra taorian’ny nitokanana ny fonja vaovao teny Imeritsiatosika dia mba tsy hisy intsony ny fampiasana ny fonja ho amin’ny valifaty politika, satria ny mpitondra mandalo, ny toerana ifandimbiasana, fa ny fonja kosa dia mitoetra eo foana, ka raha tsy manao dingana lehibe ny mpitondra ankehitriny dia azo inoana fa ho avy amin’izy ireo ny tora-bato miverina, sady tsy voatery ho any amin’ilay nambara ho “fonja manarapenitra” fa mety mbola ho Tsiafahy.