Saro-dalana ny fitakiana ireo Nosy malagasy

Sôh’son

Nitera resabe ny teny nataon’i Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriana an-tampony faha-76 ny Firenena Mikambana, momba ny fitakiana ny famerenana ny Nosy Malagasy, izay bodoin’ny Fitondrana Frantsay. Fampahatsiahivana sy fanentanana ireo mpikambana tonga nivory tamin’ny fotoana nitenenany iny, no nataony tamin’izay. Tsy nisy ny fahasahiana nifanandrina mivantana tamin’ny Mpibodo tanin’olona sy mpanjakazaka an-tanin’olona mihitsy aza, fa teny diplômatika no nambarany ary fanehoana ny fahalemen’i Madagasikara. Izany hoe, miantehitra amin’ny fahendren’izy rehetra ireo izany no iverenan’ireo Nosy ireo amin’ny Malagasy.

Hevitra tokony horaisina ny nambaran’ny antoko politika Otrik’afo, izay anisan’ny lohalaharana amin’ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy manodidina ireo. Nambarany fa raha tena tapa-kevitra sy hentitra amin’ny fitakiana isika, dia tokony hatsahatra ny fandraisana ny fanampiana avy amin’i Frantsa. Mandray fanampiana avy aminy nefa manilika azy eo amin’ny tombontsoa ifikirany, ho tafavoaka ve ny « ady » amin’izany? Mbola mahasaro-piserana ihany koa, ny amin’ny mbola nandalovan’i Andry Rajoelina tany Frantsa aloha, ary mbola nanatrika ny fifanaovan-tsonia tany amin’ny biraon’ny ministra frantsay, izay vao nihazo an’i Etazonia namonjy ny fivorian’ny Firenena Mikambana. Nokianin’ny mpahay diplômasia malagasy izany ary nambarany fa tena manala baraka ny firenena malagasy. Tsy fahaizana mifehy diplômasia izany raha ny nambarany. Miendrika mbola fanekena an’i Frantsa ho firenena iankinan’i Madagasikara hatramin’izao izany sy mbola fanohizana fametrahana ny firenena ihany koa iankin-doha aminy.

Eto, dia mifanalavitra amin’i Paul Kagame ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Ny filoha Roandey mantsy dia sahy namaky bantsilana ny politika ambadik’ireo firenena mpanjanatany taloha sy mbola mihevitra ny hanohy izany amin’ny endriny vaovao. “Tsy mila mpiandry na mpitaiza zaza (baby sitter), intsony izahay”, hoy izy. Filazana fa mahaleo tena ny fireneny izany, ary tsy mila tambatambazana intsony ny fireneny. Hatreto anefa, tsy hita ho manana fahasahiana hanao teny toy izany amin’i Frantsa ny fitondrana Malagasy. Ny resaka fiandrianam-pirenena anefa eto no ifantohan’ny resaka.

Etsy ankilan’izay, rehefa jerena, dia tsy hita ho manao antso amin’ny vahoaka Malagasy hiara-hientana hitaky ny famerenana ireo Nosy ireo ny fitondrana Rajoelina. Izany hoe mandeha irery izy manao ny fitakiana. Mihevitra ve izany fa hahavita-tena irery ary hiseho hidedaka avy eo, fa mahay izy miohatra tamin’ireo filoaham-pirenena telo hafa teo alohany efa nitaky an’ireo? Hatreto, fikambanana sy antoko politika vitsivitsy no hita hatrany, manao hetsika matetika ho fanehoana izany sy isan-taona. Izy ireo indray aza no manentana ny vahoaka ho amin’izany. Tsy atao hahagaga anefa raha vitsy no manoina, satria miainga avy any amin’ny fitondrana no miteraka ny fisarantsarahana noho izy tsy manohana ireo.