25 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fijoroana vavolombelona, no ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao androany.

Fin 70 début 80, izany Marc Ravalomanana izany no Malagasy mpivezivezy tamin’ny Concorde nanao an’i Paris-New York nohon’ ny affaires internationales sahaniny.
Tamin’izany, isaina tamin’ny rantsan-tànana iray ny Malagasy nitaingina izany karazana avion zany. Maika ny hoe mpivezivezy. Anao no mitsara hoe efa president anga moa izy t@ izany ?

22 taona aty aoriana…
Raha tsy nahafantatra ny cursus-n’ io olona io dia aleo mangina. Ny tenako tsy hoe dia tena nahafantatra azy, fa mba nahalalàko azy dia nianatra teny Anglisy tao amin’ny laboratoire de langues ny ESCA izay niadidiako izy. Ary matetika izahay mianadahy no niresaka rehefa iny izy tsy tonga nianatra nandritra ny andro maromaro.
Iny izy tonga amin’ny kapakapa, mipataloha fonombasy.
Hitanao hoe izy dia tena tsotra tanteraka.

“Ary taiza Marc no tsy nianatra ?” hoy aho mantsy azy. “Zaho ange hoy izy vao tonga omaly avy any Washington, ary handeha hiverina rahampitso fa haka dossier fotsiny no nodiako kely. Dia miala tsiny aminao”.

. . .Fa inona no ataon’i Marc hoy aho. Teo izy dia niresaka ny asa ataony… hoe mpamadika ronono… niresaka teo izahay, moa i Prospère laborantin mihaino.

Teo no nahalalanay sy Prosy hoe tamin’ny taona 1980 Ravalomanana dia nilaza taminay hoe ” tena mankarary ny foko ny mahita ny mpiray tanindrazana amiko mihinam-pako ary tena tahaka ny tsy eken’ny saiko izany” ( aoka hazava fa taona 1980 izany, 2002 mbola alavitra, azafady mba ataovy ny kajy).

Dia nanontany azy aho. Inona ary no tokony hatao fa tena efa tsy rariny intsony izao.
Valiny hoy ianao: “TSY MAINTSY LASA PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE AHO”, izay ihany no hitako ala olana”.

Teo izaho sy Prosy dia taitra. Teo no nahitako ilay rictus eo akaikin’ ny vavany rehefa izy nikabary taty aoriana.

Tsarovinareo dahy izay nolazaiko izay hoy izy. Iny moa izy dia lasa.

Iny aho dia nankeo am-baravarakely nijery izany olona nilaza hoe tsy maintsy ho lasa President izany nefa Ratsiraka no President t@ izany. Hoy aho mantsy an’i Prosy… Ahoana indray Raprosy @ zany declaration zany.? Tena taitra hoy izy.

Gisèle RAZAKARIVONY
Mpampianatra teny Anglisy