FIFANTENANA HAFAHAFA !

Tsy fitiavana hitsikera, tsy fitiavana hanakiana,
Fa dia mahagaga ihany ny amin’iretsy nofidiana,
Tamin’ny olona an’arivony nolazaina ho “atidoha”,
Ka afaka hiara-dalana, hanohy ny vinan’ny filoha!

Tena nisy vao voatendry dia efa maro mpitsikera,
Tan-gazety sy tanaty tambazotran-tserasera.
Ary indro fa naato sy nesorina avy hatrany.
Izany ve no nofantenana? tsy fahita eran-tany!

Ilay tao amin’ny spaoro koa dia hoe nafindra toerana,
Ary dia nalefa indray ho amin’ny seha-pitaterana.
Nahazendana ny maro, izany ve dia mifandraika?
Izany no manara-penitra sa dia tena tefy maika?

Nisy koa ilay raikalahy tsy mahafehy ny tenindrazany.
(Ny miteny ny an’ny hafa no heveriny ho lazany!)
Dia ahoana no hahatokisana ny olona tahaka ireny
Fa hiaro izay lazaina ho tombontsoam-pireneny?

Nisy koa ilay raikavavy mihevitra azy ho tsy azo alàna,
Na dia efa ratsy laza sy efa tena igagàna.
Manaratsy ny ao an-dapa ny faneno sy fitsaingony.
(Tsy ela akory ny anao vavy no indro voa hatramin’ny haingony!)

Ireo aloha no nosinganina ary izao no azo ambara:
Tena maizina ny sarin’ny filoha sy ny mapara.
Maro ireo tsy resy lahatra ny amin’ny olo-nofantenany,
Fa vao mainka ireo hihady izatsy fasana hilevenany!

TSIMIMALO (13-10-21)