Fernand Cello – Avoahay Berija fa samy cybercriminalité ny azy sy Arphine

Ny Valosoa

Nisy ny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny faran’ny herinandro teo mikasika ny resaka « cybercriminalité », na ny heloka amin’ny tambazotran-tserasera, izay nandraisan’ny mpanao politika mpandinika raharahampirenena, mpanao gazety ary ireo tompon’andraikitra mandray fitoriana mikasika ny raharaha cybercriminalité ao amin’ny zandary sy ny polisy anjara. Maro ireo efa niditra am-ponja mikasika ity resaka raharaha amin’ny tambazotran-tserasera ity, indrindra ireo mpanohitra ny fitondràna ankehitriny. Isan’ny lasibatra tamin’izany ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa ao amin’ny gazety Ny valosoa Vaovao izay nampidirina amponja nandritra ny 1 volana amin’ny zavatra tsy nataony, na dia efa nanambara aza ny mpanao ny site nanao ny publication, fa tsy Arphine Rahelisoa no nanao io. Na izany aza no zavatra nisy dia tsy nisy adihevitra, fa tonga dia nampidirina amponja ny tenany. Nisy ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety Fernand Cello ary namafisin’ireo mpanolotra ny fandaharana, ny tompon’andraikitra amin’ity resaka cybercriminalité ity, mahakasika ny fitanilàna atao amin’ireo olona toriana hoe misy ny haingana be ny fandraisan’andraikitra rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny fitondràna, nefa raha vao mpomba ny fitondràna no misy mitory dia tsy misy tohiny io resaka io, fa dia mivalona any ambany latabatra. Tsy nisy valiny moa ny fanontaniana na nipetraka foana aza, mety misy antony ao.

Manoloana izany dia nanambara ny mpanao gazety Fernand Cello, fa misy ny fitanilàna eo amin’ny mpitondra fanjakàna amin’ny fandraisana fanapahankevitra. Arphine Rahelisoa rehefa nisy ny hetsika maro nataon’ny olom-pirenena dia ny filohan’ny Repoblika mihintsy no namoaka azy tao amin’ny fonja. Ny dokotera Berija Ravelomanantsoa avela hihitsoka 44 volana any amponja, nefa samy cybercriminalité mitovy ihany. Misy fanavakavahana sy fitanilana mihitsy ataon’ny filoha Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy momba ity resaka fitsarana sy fonja ity. Misy ve ny atahorana eto amin’ny firenena, ka avela hihitsoka any ampigadràna hoy hatrany Fernand Cello. Noho izany avoahay Berija hoy izy.