Filoha Rajoelina – Filoha « sans qualité » tokoa

Ny Valosoa

Filoha Rajoelina, filoha tsy misy kalitao tokoa, na « sans qualité », hoy ny maro nahita azy nilahatra tamin’ny ministra delege Frantsay tany amin’ny birao fiasany tany Paris. Tsy fanao amin’ny arofenitra iraisam-pirenena ny filoham-pirenena, milahatra, na mandrorona any amina ministra izany. Amin’izay koa resaka fitrosana, amina zavatra tsy laharam-pahamehana eto amin’ny firenena no natao. Tena fampiharana arofenitra tsy nisy nandritra ny 60 taona no niseho.

Nanamafy izany nampandrorona ny Filoha Malagasy izany ny Ambasdaoro Malagasy teo aloha tany Sénégal, Paraina Auguste. Afa-baraka miaraka amin’ny Filoha ny Malagasy rehetra, noho ny tsy fahaizany ny fenitra iraisam-pirenena, hoy ity filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha ity ihany koa. Nilaza izy fa nivarahontsana avokoa ny masoivoho taty Afrika sy any Frantsa, izay tafaresaka taminy raha naheno, fa nisy filoham-pirenenena nidina tamina biraona minisitra tao Frantsa. Afa-baraka miaraka amin’i Rajoelina ny vahoaka malagasy rehetra, satria fenitra iraisam-pirenenena mihintsy no tsy hainy. Tsy mba nisy mpanolotsaina afaka nampahafantatra ny tokony sy ny tsy tokony nataony ve? Hoy ihany ny fanamarihana. Tokony ho hentitra ny mpanolotsaina nanakana ny filoha Rajoelina tsy hanatrika iny findramam-bola tany Frantsa iny, satria mbola tsy nisy mihintsy ny tahaka izany, sady manimba endrika ny firenena ny tsy fahaizana aro-fenitra kanefa mba filoha ihany, hoy ihany Paraina.