Fivoriamben’ny mpitarika Tily eto Madagasikara – Nanome fanofanana momba ny fahaiza-mitarika Ravalo

Isambilo

Tanterahana any Moramanga, any amin’ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana, ny fivoriamben’ny mpitarika Tily eto Madagasikara. Tily avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagsikara (FJKM). Tonga nizara traikefa tamin’izy ireo tany an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana, ny momba ny fahaiza-mitarika eo amin’ny kristiana, na leadership kristiana no anisan’ny novahavahany tamin’ireo mpizaika tamin’izany. Nanambara ny filoha Ravalomana fa : « faly aho nifampizara taminareo Tily androany ary resy lahatra aho satria ny Tily dia manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fitaizana ho olom-banona eto amin’ny firenenentsika. Izany dia araka ny tenin’ny Soratra Masina koa : “tano ny finoana ho ampinga “:Efes 6- 16a”.