EDITO 21 septambra – Sisintany – Tsy hita ho nihidy tanteraka akory

Sôh’son

Natao naresaka fa hoe hisokatra amin’ny fiandohan’ny volana oktobra izao ny sisintany, sy ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara, ao anatin’izany ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Niainga avy amin’ny resaka tany Paris-Frantsa izany, izay nataon’ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina, ary dia nitohy teto an-toerana mandraka ankehitriny. Niteraka resabe io fampahafantarana io ary samy nanana ny heviny ny olom-pirenena. Fa ny fanontaniana mipetraka mazava dia hoe: tena nihidy marina ve ny sisintany sy ny seranam-piaramanidina teto amintsika?

Raha araka ny re ambaran’ny haino aman-jery samihafa avy amin’ny fampitam-baovao, tao anaty filazana ny fepetra ny amin’ny hoe mihidy, dia misy hatrany fiaramanidina avy ivelany, indrindra ny avy amin’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka frantsay, toa isan-kerinandro, misy indroa mihitsy mitondra olona avy any ivelany. Tsy resahina intsony ny hafa. Heno ihany koa ny fisian’olona samihafa tafavoaka teto Madagasikara ary misy aza ireo ivelany tsy ao anaty sokajin’olona nofaritan’ny fitondrana akory. Anisan’izany ireo olona maromaro saika hivoaka eto Madagasikara tamin’iny herinandro lasa teo iny. Toa tsy misy ifandraisany amin’ny andraikitra tanany eto amin’ny firenena no saika hivoahany any ivelany. Toy izany koa ireo olona samihafa nentin’ny Filohan’ny Repoblika tany Frantsa, nanoherana ny hetsiky ny RMDM tany an-toerana. Izany hoe nisy hatrany ny fivezivezen’ny fiaramanidina sy olona samihafa na dia nambara aza fa mihidy ny seranam-piaramanidin’i Madagasikara. Koa inona izany no lazaina hoe hosokafana? Tsy karazany nisy famitaham-bahoaka ve izany? Ny vahoaka Malagasy rahateo efa ataon’izao fitondrana izao ho tompon-trano mihono mandrakariva.

Varavarana ndeha ambara hoe nitafitafy, mba tsy ilazana hoe nivoha ny seranam-piaramanidina teto Madagasikara tao anatin’izay fotoana nilazana ho nandraisana fepetra izay. Ka tokony hambara mazava amin’ny vahoaka izany, ary ny tokony holazaina dia ny amin’ny fanamafisana ny fisokafany bebe kokoa amin’izay. Ny adihevitra iray lehibe ao anatin’izany ihany koa dia hoe ho voafehy sy ho araky ny tomponandraikitra ve ny fanaraha-maso ny olona hampidirina eto amintsika, raha hisokatra malalaka be amin’izay ny seranana, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana? Ny valanaretina mantsy iaraha-mahalala ihany, fa tsy mbola foana tanteraka akory, indrindra ny any ivelany. Ka sao dia hampirongatra ny valanaretina andiany faha-3, na 3ème vague indray, izao ho fanokafana midanadana amin’izay ny sisintany izao!