Eliana Bezaza – Tsy adim-poko ny rafitra Federaly

Ny Valosoa

Vahinin’ny fandaharana “Sahia Lasa Zao” tao amin’ny Radio Mada, ny Radio MBS ary ny televiziona MBS omaly alina, ny sekretera nasionalin’ny antoko PSD Eliana Bezaza, izay tsy iza fa zafikelin’ny filoha Philibert Tsiranana, filohan’ny Repobika voalohany, nitondra an’i Madagasikara taorian’ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Tao anatin’izany no niresahana mikasika ny vehivavy manao politika, sy ny fiainan-pirenena amin’ny ankapobeany ary ny zavamisy any Mahajanga sy ny faritra Sofia fiaviany.

Ny antoko PSD dia mbola tsy nifidy niaraka amin’ny mpanohitra hatreto, saingy efa mahatsapa izahay hoy Eliana Bezaza, fa efa ampy ny 100 andro nanomezana ny fitondrana ireo fe-potoana, ka tsy nitenenany mihitsy, satria sarotra ny mitondra firenena. Ankehitriny efa misasaka mahery ny fotoam-piasan’ny mpitondra nefa tsy misy tanteraka ny fampanantenana izay natao. Mikasika ny any Sofia tanindrazany dia nanambara ny sekretera nasionalin’ny antoko PSP Eliana Bezaza, fa manjaka ny tsy fandriampahalemana, nefa governora mpitari-tafika no any antoerana. Ny fampanantenana nataon’ny mpitondra fanjakàna toy ny hananganana Oniversite any Anahidrano distrikan’Antsohihy, tanindrazan’ny filoha Dadabe Tsiranana, efa hoe herintaona lasa izao ny 14 oktobra 2020 fahatsiarovana ny nijoroan’ny Repoblika teto Madagasikara, bozaka no lava be maniry, fa tsy misy zavatra mandeha hatramin’izao. Ao Mahajanga dia manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny filan’ny mponina, fa tombontsoa an’olon-tokana no omena tombondahiny. Raha resaka demokrasia eto Madagasikara dia tsy manjaka ny demokrasia amin’ny fanagadragàna olona maneho hevitra . Ny haino amanjerim-panjakàna toy ny RNM sy TVM dia voarara tsy azo idiran’ny olona heverina ho tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakàna. Raha nilaza ny mpitondra ankehitriny, fa tsy nisy zavabitan’ireo mpitondra nifandimby teto nandritra ny 60 taona, fa izao vao manarina ny tsy vitan’ny teo aloha dia tokony havadibadika ihany ny lela vao miteny, satria manjary any aminao no mifatratra ny zavatra rehetra hoy izy. Maro ny zavabitan’ny mpitondra teo aloha ary tsy ho voafafa izany na takonana aza.

Mikasika ny governemanta dia hita fa tsy manana olona ity fitondràna ity. Maro ny zavatra tsy fampiseho masoandro hita ao araka ny hita amin’ny gazety sy tambazotran-tserasera. Fa raha ny tokony hitondràna ny firenena ankehitriny indray dia tokony ho rafitra federalista hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, mba hahazo tombontsoa avokoa ny Malagasy 25 tapitrisa, no tokony hampiharina eto Madagasaikara hoy ihany ity mpanao politika vehivavy ity. Mahakasika izay indrindra dia tokony hoesorina ao antsaina ny resaka adim-poko, satria izay foana no voizina hoy Eliana Bezaza raha vao miresaka io rafitra federaly io. Tokony hahazo tombontsoa ny zavatra misy any amin’ny toerana misy azy ny Malagasy tsirairay. Rehefa hanao taratasy mikasika ny hazan-dranomasina ohatra dia tsy maintsy aty Antananarivo no manao ny taratasy rehetra, nefa tokony ho vita any Mahajanga izany hoy izy.

Raha akapoka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny antoko PSD Eliana Bezaza dia tsy manome naoty ity fitondràna ity ny tenany. Hita ny tsy fijeren’ny mpitondra amin’izao ny lafiny sosialy, izay nampiavaka ny antoko PSD tamin’ny fotoana nitondràny. Politikan’ny kibo no nanjaka tamin’izany; tsy nandoa vola ny mpianatra ary ny fitsaboana maimaimpoana.