Governemanta – Ratsy toerana ilay ministra voalaza fa “veta”

Beharo

Mibaribary hatrany ny tsy rariny sy ny zavatra tsy mety fanaon’ny ministra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy sy ny vadiny manoloana ny fiaraha-monina, ny fitondram-panjakana ary indrindra eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety. Maro ny tsy rariny izay nahitana porofo avokoa nanomboka tamin’ny 2009 mandraka ankehitriny, hita ankehitriny fa mpanao tsindry aloka eo amin’ny filaminam-bahoaka sy amin’ny fiarahamonina izy ireo, manao fitondran-tena tsy mendrika na dia mpivady azo lazaina ho tsara toerana tao amin’ny fitondrana.

Ankehitriny, azo lazaina ho ratsy toerana ao anivon’ny governemanta ny ministra Lalatiana, izay ambaran’ny gazety mpiseho isan’andro iray hoe: ministra “veta”, noho ny zava-tsy mendrika natao sy ataon’ireto mpivady ireto. Tamin’ny fahitalavitra iray dia mbola tsy nisalasala ireo roalahy Fernand Cello mpanao gazety, sy Mahery Lanto Manadafy mpandinika ara-politika, nilaza fa fanerena an-kolaka, fampitahorana, fitaka, fizahozahoana no mampalaza ireto mpivady ireto, ka hita sy tsapa, fa raha tsy misy tohiny ny fanadihadiana dia azo ambara fa fahatahoran’ny filoha Rajoelina sy ny Praiministra Ntsay azy ireo no izany.

Tsy mifidy asiana mihitsy ry zareo, fa na jeneraly tompon’andraikitra ambony, na mpisolo vava, na mpanakanto, mpanao gazety dia efa nahazo fandrahonana taminy avokoa, miampy ireo tsy mazava toy ny raharaha Ilakaka, ny 2009, 2012, 2016, depute 73 sy ny maro hafa dia efa laza ratsy ho an’ity ramatoa ministra ity. Eto am-pamaranana, na ny mpomba ny fitondrana aza dia efa mandetika azy mivady ireo, satria tsy vitsy no nahita faisana taminy ireo efa niara-dia taminy. Arak’izany, mety tsy ho ela ny fametrahany fialana, na ny fanesorana azy amin’ny toerany.