Misy tsy maty manota tokoa ny mpitondra ankehitriny

Andry Tsiavalona

Tsy misy afaka mandà intsony amin’izao fotoana izao, fa misy tsy maty manota tokoa ao amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratom-pitantanana eto amin’ny Firenena. Tsy tokony hadinoina fa efa foana ny hamehana ara-pahasalamana, izay nararaotin’ny mpitondra nanaovany izay tiany natao. Tapa-bolana lasa izay no nanafoanana ity hamehana ity, ka tsy azo ekena intsony ny mbola hanohizan’ireo nampindramin’ny vahoaka fahefana ireo ny fanao mamohehitra sy fiheverana ny mpiray Tanindrazana ho « dondrona » tokoa, araka ny famaritana nataon’izy ireo.

Tsy adino ireo minisitra nongotana teo amin’ny toerany, noho ny fitsikerana tamin’ny tambazotran-tserasera ny adalàna nataony. Nisy koa ny nihàran’izany fitsikerana izany, noho ny fahotana mahafaty nataony tany aloha tany. Amin’izao fotoana izao dia mitohy tsy ankijanona ny fitakiana ny fanalàna, na ny fanesorana, na fametraham-pialàn’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Angôvo vadiny. Ny alakamisy alina dia mbola nitaky izany, tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, no namoaka ity raharaha basy nipoaka ity voalohany, satria ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo dia nanendry tomponandraikitra ambony any amin’ny minisitera sasany any, fa tsy sahy nanisy resaka momba ity raharaha ity mihitsy. Toa midika izany fa ny filohan’ny Repoblika, ny Praiministra sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta roambitelopolo dia miara-manaiky, fa samy manana ilay « zo tsy azo enjehina » (immunité) sahala amin’ny parlemantera rehefa eo am-perinasa. Ny minisitra vehivavy moa dia, angamba, efa manaiky ny antson’ny minisitry ny serasera tsy hilefitra, fa hijoro satria nandray andraikitra. Izany tokoa, angamba, no manamarina ilay fitenenana vahiny « solidarité féminine » ary tafiditra ao anatin’ity sokajin’olona ity koa ireo lehilahy rehetra ao amin’ny governemanta matoa tsy misy manohitra. Izany tokoa, angamba, no fampisehoana ny firaisankinan’ny governemanta (solidarité gouvernementale) na firaisana tsikombakomba amin’ny ratsy ary satria azo antoka fa ho fanao lasa azo haverina amin’ny ho avy (jurisprudence) izany.

Azo antoka koa fa tsy misy velively ny famotorana ara-moraly (enquête de moralité) natao tamin’ireo olom-boatendry mialohan’ny fanendrena azy ireo. Manaporofo izany ny fanendrena ilay minisitry ny Harena Ankibon’ny Tany nametra-pialàna valoambiefapolo ora taorian’ny fanendrena azy, sy ilay tale jeneraly vao notendrena tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo, izay namoahan’ny tambazotran-tserasera ny korotam-by taritarihany ora vitsy taorian’ny nanendrena azy. Azo eritreretina ihany koa, fa matahotra ny filohan’ny Repoblika avokoa ny mpikambana ao amin’ny governemanta, satria izy no nanendry azy ireo, ka hananany trosa ara-moraly. Fantatra ihany koa fa tsy sarotra ho an’ny filohan’ny Repoblika ny hanome baiko hamoronana antontan-taratasy fanamelohana izay miseho manohitra ny heviny. Raha midradradradra ny mpitondra fa « masina ny Tanindrazana » dia midika izany fa ny « fahamarinana » sy ny « fahamasinana » izany no tsy maintsy manjaka eto, kanefa tsy hita na aiza na aiza eny anivon’ny sehatry ny fitantanana ny Firenena no manjaka ireo fepetra ara-pitantanana ireo. Tsy fahaiza-miasa sa mampiasa ny fahaiza-manao amin’ny fanodinkodinana no ataon’ny mpitondra, satria dia mitokona indray ny any amin’ny Anjerimanontolo, Andrianjato, ao Fianarantsoa.

Ny mahavariana dia tsy manan-katao hafa tsy ny mamono afo izao mpitondra izao, ka rehefa mirehitra ny afo vao mitady rano amonoana izany. Efa manaraka akaiky ny fomba fiasan’ny mpitondra ary tsy azo badoina intsony ny olompirenena maro, ka na inona na inona fanampena-maso atao dia tsy mahataitra ary tsy manova ny fahitany ny fomba fitantanana tsy mahomby intsony izany.