EDITO 18 septambra – Laharam-pahamehan’ny vahoaka – Tsy mahamaika sy tsy ifotoran’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Miharihary ankehitriny ny tsy fifandraisan’ny tadin-dokanga eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Sanatria tsy ho ganagana manasa loha ka samy manao izay mahametimety ny tenany. Ho very ny firenena raha izay no mitranga, ary asa izay hantenain’ny taranaka amin’ny ho avy sy ny avela ho azy ireo. Miankina amin’izay asa sy zavatra tanterahina ankehitriny ny momba izany, fa tsy misy fahagagana akory.

Samihafa ny laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka. Ny mpitondra manana izay mahamaika azy, ary ny vahoaka manana ny azy ihany koa. Mihazakazaka amin’ny asa miharo politika fiarovana seza sy tombontsoa ny fitondrana hatramin’ny niakarany teo amin’ny toerana fihininy mafy, satria niriany fatratra hatramin’ny ela. Nahatonga azy hanakorontana ny firenena sy nandrombahana ny fitondrana tamin-kery aza izany tamin’ny taona 2009. Mbola tsikaritra mazava ihany koa izany tamin’ny taona 2018-2019 ireny, izay nidirana tamin’ny fifidianana. Zavatra hafa anefa no tena fototry ny paik’ady politikan’izy ireo, fa tsy ny fahamaizana hanarina ny fiainan’ny vahoaka Malagasy latsaka an-davaka ary ny firenena zary mena-mitaha amin’ny hafa. Tato anatin’izao fitondrana Rajoelina izao dia toa mora ny naka ny laharana farany na rambony amin’ny laharana amin’ny firenena mahantra. Tsy mifanaraka ny “veliranon’izao fitondrana izao “, ny amin’ny hanandratra ny firenena, kanefa ary amin’ny gidany sy rambony ny firenena.

Ny tena mahasakodiavatra ihany koa matetika, aseho izay hanalana baraka sy hampietry voninahitra ny firenena eo imason’izao tontolo izao. Niaraha-nahita ireny, talohan’izay efa nisy hatramin’ny taona maro izay, ny zava-nitranga tany Frantsa. Ilay filohan’ny Repoblika mihitsy no mitondra olona avy eto an-tanindrazana hanentana ny Malagasy tany, hanohitra ny hetsiky ny mpanohitra any an-toerana. Any an-tanin’olona mahay mampihàtra ny demôkrasia no mitonantonana mikasa hampihàtra ny fanaovana didy jadona. Hihomehezan’ny olona fotsiny, satria tsy mahay manàja tena sy ny firenena. Tsy atao ho hahagaga raha arirariran’ny mpitondra frantsay fotsiny ny mpitondra Malagasy momba ny resaka Nosy Sambatra na ireo Nosy hafa manodidina izay bodoiny. Ianao aza tsy mahay manàja ny mpiray tanindrazana aminao, fa anaovanao resaka politika mamohehitra tsy mametraka amin’ny toerany ny hasin’ilay firenena sy ny maha izy azy iavahany amin’ny maro.

Raha mbola mikiry biby mitazona ny toe-tsainy sy ny fomba fiasany hatramin’izay izao fitondrana Rajoelina izao, dia ho volan-kankafotra ny zava-misy sy ny fiainam-bahoaka. Ny hiafaràny mety ho tonga amin’ilay fandinihan’ny mpamakafaka izy ity amin’ny lalan-kizoran’izao fitondrana Rajoelina izao: hanjelajelatra, hamirapiratra hahafinaritra ny maso izay jerena sy tazanina, fa io tsy misy na iray aza an’ilay sarambabem-bahoaka, ny any am-paosiny sy ny kitapom-bolany any an-tokantrano tsy misy vola, ary izy ho tompony mangatak’atiny fa Malagasy vitsy an’isa mpanefoefo sy teratany vahiny, no hanjakazaka ho masi-mandidy. Zary vahiny eo amin’ny tanindrazany ilay Malagasy mpandova. Sanatriavina ny hahatongavan’izany eto, fa ho ozona ho an’ny taranaka fara aman-dimby.