EDITO 16 septambra – Ny hasin’ny firenena – Voahosihosy raha fifidianana tsy madio no hatao

Sôh’son

Mila manamafy ny hetsika ataony ny mpanohitra raha te hisoroka ny tsy iverenan’ny trangan-javatra tamin’ny fifidianana ny 2018 sy 2019. Samy mibaby ny vokatr’ izany amin’izao fotoana izao, na ireo nifidy ny olona eo amin’ny fitondrana ankehitriny, na ireo niezaka ny tsy hahalanian’ireo. Iaraha-mahita ny tsy fahombiazany na dia miseho mihetsiketsika etsy sy eroa aza mitaingina ny vavaasa nataon’ny mpitondra teo alohany. Namaky bantsilana sy nanao ampamoaka izany indray tamin’ity herinandro ity ny olona eo anivon’ny antoko miara-dia amin’ny filoha Rajaonarimampianina.

Tsy tokony hohadinoina velively ny trangan-javatra tamin’ireo taona ireo momba ny fifidianana, ka nanakonana ny fahamarinana tsy hiseho masoandro ho fanta-bahoaka. Anisan’ny voalohany misongadina amin’izany ny tsy fahamarinan’ny voka-pifidianana. Niseho izany tamin’ny faritra sy toerana maro, ary nisy tena nampiteny ny moana mihitsy. Saika noezahan’ireo mandala ny fahamarinana nampahafantarina ny vahoaka teny anoloan’ny Lapan’ny tanàna izany, fa nihazakazahana nanaovana herisetra sy noraofina ireo fitaovana nampiasaina tamin’izany. Teo ihany koa ny resaka “doublon” marobe, izay nohamafisin’ny mpikambana iray teo anivon’ny Ceni ny fisiany. Niaraha-nahita ny nanaovana io olona io sy ny niafaràny. Nisy ihany koa, olona niteny avy anatin’io vaomiera io ny momba ny fitaovana ampiasain-dry zareo tamin’ireny izay manahirana ihany.

Ankoatra ireo, teo amin’ny voka-pifidianana, raha tsy horesahana ny tsy milamina araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy, dia mahavariana ny tsy namerenana ny fifidianana tamin’ireo toerana maro, toy ny tao amin’ny kaomina Moramanga. Momba ny fifidianana ben’ny tanàna io. Ary fantatra fa maro ny kaomina tsy manana ny ben’ny tanànany hatramin’izao.
Maro ny tranga tsy milamina amin’io seha-pifidianana io. Ho an’ny mpanadihady dia mifandray tendro ny mpitondra, ny eo anivon’ny Ceni, ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana. Mahalala izany ary manana ny heviny ny olom-pirenena momba ireo.

Ankehitriny dia sadasada manan-tsoratra ny zava-misy eo amin’izy ireo. Efa nisy nampiaka-peo ny antoko na fikambanana, izay nitsinjo fa mampanahy ny amin’ny fifidianana amin’ny ho avy. Misy sahady ny “ahiahy tsy ihavanana”, mbola firy taona aty aloha sahady. Manahy sao hiverina ny paipaik’ady samihafa entina mandrombaka ny fahefana. Raha tena mandala na mba mihevitra ny hamerina ny fahamarinana izao fitondrana izao dia mila ezahina marina ny hanàla izany ahiahin’ny olom-pirenena izany amin’ny alalan’ny fihetsika na fiteny ary indrindra fepetra raisiny. Fa hihodinkodina eto fotsiny tsy hisy fivoarana mazava sy fandrosoana misongadina ny firenena raha miverina ny zava-nisy teo aloha. Tsy hahasoa ny firenena izany. Anjaran’ny mpanohitra ny mitady ny fomba tsy iverenan’izany intsony, fa handeha amin’ny mangarahara sy amim-pahamarinana ary am-pahamendrehana ny fifidianana izay hotanterahany eto amin’ity firenena ity. Amin’izay ho voatandro ny hasin’ny firenena.