Rina Randriamasinoro – Tsy mahazaka ny fahamarinana avoakany ny samy mpitondra

Helisoa

Nomarihana omaly 15 septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia. Naneho ny heviny mahakasika izany ny Sekretera Jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro araky ny famaritana ny antsoina hoe demokrasia dia fahefana avy amin’ny vahoaka ary hampiasaina ho an’ny fampandrosoana, izay ny vahoaka no mamaritra azy. Zo fototry ny olona iray ny maneho hevitra sy mivezivezy an-kalalahana, ao anatin’izany ihany koa ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Mahakasika an’i Madagasikara manokana, na ny samy mpitondra aza dia tsy mazaka ny fahamarinana avoakany, ary mazava ho azy fa rehefa misy fahamarinana tian’ny mpanohitra havoaka dia tsy zakany izany tsikera izany.

Raha fintinina dia mbola manjaka ny teritery sy ny tsy fahalalahana maneho hevitra, aoka anefa tsy adino, fa hahatonga saina ny vahoaka malagasy ny fihetsika tahaka izany ary hiteraka zavatra hafa ihany koa ny fanelingelenana ny zon’ny olona raha ny nambarany hatrany.