Fanoherana – Morondava ny manaraka, tsy mihemotra ny RMDM

Isambiloa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air Ampandrana omaly, ny mpitarika ny RMDM. Fantatra tamin’izany fa tsy hihemotra ity vondrona mpanohitra eto Madagasikara ity manoloana ny ramatahora sy ny antsojay ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fitondrana.

Nitondra teny omaly io Pasitera Edouard TSARAHAME. Mahakasika ny zava-misy tany Antsirabe, fampihorohoroana tanteraka amin’ny olona tsy mitovy hevitra aminy no nataon’ny mpitondra. Nisafidy ny hametraka jadona ny mpitondra, ka amin’ny anaran’ny RMDM iray manontolo dia manameloka tanteraka ny jadona tadiavina hapetraka eto amin’ny firenena. Ianareo no mitondra ny haizina eto amin’ny firenena, fa izahay kosa hitondra ny fahazavana hoy Pasitera Edouard. Izahay tsy hijanona amin’izao intsony, fa hiroso mandrapaha-tanteraka ireo fehinkevitra nivoaka tamin’ny 23 sy 24 jolay teny amin’ny By Pass, ary io no vahaolana hitan’ny maro na dia tsy mety aminareo aza, hoy ihany ity pasitera mpanao politika ity.

Amin’ny 1 Oktobra ho avy izao dia hidina ny Morondava ny RMDM, ary manasa anareo mpitandro filaminana hiaraka aminay, satria izay alehanay dia misy anareo daholo hoy izy nanohy ny teniny. Ekenay ny fisian’ny mpitandro filaminana, fa tsy ekenay ny hanaovana azy ireo ho herim-pamoretana. Ny ramatahora nataon’ny mpitondra dia nisy fiantraikany amin’ny toetsain’ny vahoaka ary hita taratra izany tany Antsirabe tamin’ny hetsika RMDM. Raha ny zava-nisy anefa dia hita taratra tao ANTSIRABE ny fahavononan’ny vahoaka, saingy very fanahy mbola velona izy ireo nohon’ny ramatahora nataon’ny mpitondra. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany, no tarigetra sy filamatry ny mpitandro filaminana, saingy ny fanenjehina ny mpanohitra no asa ataony, ho setrin’ny fanakaraman’ny vahoaka azy.