Tontolon’ny fanaovan-gazety – Simbain’ny ministra Lalatiana

Beharo

Simba ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana, hita sy tsapa fa ny fanaovan’ny ministra Lalatiana tsinontsinona ireo namana mpanao gazety amin’ny haino aman-jery sy gazety an-tsoratra maro samihafa, no tena anton’izany, ao ny fijerena mitongilana ataon’ny minisitra, ny halako bika tsy tiako tarehy ary ny tena olana dia ny tsy fanajana intsony ny holafitry ny mpanao gazety (OJM ) manao fampandehanan-draharaha ary miezaka hatrany amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Mazava ankehitriny, fa mitsabaka diso tafahoatra amin’ny asan’ny holafitra ny minisitra, ka tsy mitetika afa-tsy ny tombotsoany sy ny antokony sy ny ho aviny, fa tsy mijery ireo namana mbola mitantana sy manan-kery, fa dia mitetika ny hanova io holafitry ny mpanao gazety io, mba ho mpiray tetika ara-politika aminy avokoa, ka hahafahany manendry izay olon-tiany amin’ny solontenan’ny mpanao gazety eny amin ‘ny CENI ohatra, sy hahazoany manova ireo tsy tiany eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana ihany koa.

Ny 16 oktobra 2021 ho avy izao moa no voalaza sy nambaran’ny minisitra, fa hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitra vaovao, sy ireo mpikambana marobe miisa 94 ao amin’ity holafitra manara-penitra hafakely ity, sy hanimbana ny lazan’ireo mpitantana mbola am-perin’asa tarihin’i Gérard Rakotonirina. Ataon’ity mpitantana ny ministeran’ny serasera ity koa, ny fanimbana ny karatra, izay efa nanomboka tamin’ny taona 2018
ary mbola manankery hatramin’ny taona 2022. Lazaina fa 1500 mahery kely ireo afaka hifidy, izay tsorina fa vaovao eo amin’ny tontolon’ny asa an-gazety amin’ny ankapobeny, misy tsy nianatra momba ny serasera akory na journaliste fantôme, no betsaka, fa ireo efa ela niasana, ampy traikefa dia tsy te-handray anjara, noho ny tsy rariny kasain-dRamatoa minisitra atao amin’izany, ka mahatonga ny OJM hilaza hoe: esory amin’ny toerany sao hamimba ny fitondrana.