Fiainam-pirenena – Tsy maintsy hifarana ny sarimihetsika rehetra

Andry Tsiavalona

Maro loatra ny fiezahan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, hanarotsarona ireo adalana nataony nandritra izay roa taona sy sivy volana, nanomezan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahefana azy izay. Saika naharitra valo ambinifolo volana koa ny hamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire), ka nahafahan’ny mpitondra nanao izay tiany natao teo amin’ny fitantanana ny Firenena.

Nitsakitsahana ny Lalàmpanorenana, ka namoahana lalàna mizotra any amin’ny jadona sy tsy refesi-mandidy ary fanaparam-pahefana. Ny tena manahirana dia na ny fahefana atao hiaro (Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana) sy hanitsy izany lalàna mivoana izany aza dia mamoaka didy manana endrika politika, izay toa midika fa mijoro amin’ny fitongilanana ity andrimpanjakana ity, angamba, noho ny trosa ara-moraly amin’ny filohan’ny Repoblika izay nanendry azy ireo. Manampy trotraka izany ny fahitana fa toa manana ilay zo tsy azo enjehina (immunité) toy ny parlemantera ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Tsara ho fantatra anefa, fa na ny filohan’ny Repoblika aza dia tsy misitraka izany zo izany. Anisan’ny lehibe amin’izany tsy fanajana ny Lalàmpanorenana izany ny fanendrena governora ho solon’ny Lehiben’ny faritra, kanefa dia nanambara ny andrimpanjakana voalaza etsy ambony, fa vonjimaika ihany izany anarana izany. Tsy vitan’izany fa araka ny Lalàmpanorenana ihany dia fidian’ny mpifidy vaventy (grands lecteurs), ny Lehiben’ny Faritra, fidiana kanefa dia neken’ity mpiaro ny Lalàmpanorenana ity ihany koa ny fanendrena.

Iaraha-mahalala ihany koa ny nanaovan’izao fitondrana izao ny Antenimierandoholona izay mpifidy vaventy, anisan’izany ny Ben’ny tanàna sy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny tanàna, no mifidy ny Loholona kanefa dia misy tanàna eo amin’ny roapolo eo no tsy mbola afaka nifidy, satria mbola tokony haverina ny fifidianana. Neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana anefa ny voka-pifidianana, satria vitsy an’isa ireo tanàna ireo raha miohatra amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy. Nahena ho efa ampahatelon’ny mpikambana teo aloha ny isan’ny Loholona satria hono, mpandany vola ity Andrimpanjakana ity, kanefa dia mitovy amin’ny tetibola teo aloha ihany no nomena ity rafitra ity. Tsy mbola nisy teto amin’ny Firenena izany parlemantera nantsoina nivory tany amin’ny Lapam-panjakana hafa, ankoatry ny eny amin’ny Lapany, momba ny resaka tetibola, raha tsy amin’izao fitondran-dRajoelina Andry izao. Mazava ho azy izany, fa ny rafitra mpanara-maso indray no mandray baiko avy amin’ny rafitra arahi-maso.

Manaporofo fa manana ny zo tsy azo enjehina ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny raharaha “bonbons sucettes” sy “écrans plats”, satria tsy nisy nenjehina teo amin’ny fitsarana ireo minisitra voakasik’izany. Toy izany koa ilay tandapa nanodinkodim-bola tao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay nalefa any amin’ny Masoivoho any Frantsa. Amin’izao fotoana izao dia miparitaka, azo lazaina fa maneran-tany mihitsy, ny raharaha mahakasika ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Niaiky ny Préefet de Police eto an-drenivohitra, fa nisy ny poabasy ary efa nasaina nanatitra ny basy any amin’ny mpitandro ny filaminana ilay nitifitra. Manamarina izany, fa ny vadin’ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina no nitifitra. Nisy finiavana namono olona (tentative de meurtre), izay voaheloky ny lalàna izany tao amin’ity rangahy ity. Amin’ny maha tomponandraikitra ambony azy (sekretera jeneralin’ny minisitera iray) ve dia tsy afaka misambotra sy manao famotorana azy ny mpitandro ny filaminana, sa amin’ny maha vadina minisitra azy?

Tsiahivina fa rehefa nandrara ny solombavambahoaka tsy nanao tatitra tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna ny “Préfet de Police” dia nosamborina ny olona iraika ambinifolo nanao akanjo mena, ny 20 Febroary 2021, kanefa tsy nisy basy nipoaka. Tsy sahy manala ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sy ity sekretera jeneraly ity, na ny filohan’ny Repoblika, na ny Praiministra hatreto, ka te-hahafantatra ny anton’izany ny mpiray Tanindrazana, satria tsy manafoana ilay tranga teny Ambatobe velively ny fanadiovantena nataon’ny minisitra tao amin’ny haino amanjerim-pirenena. Efa foana ny hamehana ara-pahasalamana, tsy tokony ho afaka hanao izay tiany hatao intsony izao fitondrana izao, ka tsy ny tantara no hitsara fa tsy maintsy hifarana ny sarimihetsika rehetra.