KIANJA BAREA

Kianja raitra saingy hatreto tsy ahitana fahombiazana,
Ka mihomehy anakampo ireo rehetra izay mitazana.
Ireo natsangan’ny mpitondra, mampisaina avokoa,
Fa raha hoe nisy zato angamba, iray dia iray no mahasoa.

Tena tsy hainy ny manavaka “ny maika” sy “ny lohalaharana”,
Fa ny masaka ao an-tsainy, revirevy tsy mifarana.
Fitokanana kianja no natao nipoapoaka.
Izany ve no fanafody raha mahantra ny vahoaka?

Indroa misesy izao ny gasy no efa niakatra ilay kianja,
Saingy hatreto aloha ny vokatra, tsisy iray izay manjamanja!
Fa dia resy teto an-taniny, na tsy nahavaky atody,
Ka dia sento sy alahelo hatrany no indro nenti-nody!

Angamba indray dia hiova anarana itsy kianja tena raitra,
Raha mitohy ny fahavoazana, hifandimby ny mafaitra.
Ho lasa “kianja foza” indray fa io ihany no mahery,
Ka ny hany hiakatra ao dia mety ho ny mapara irery!

IRINA HO TAFITA (14-10-21)