Fehin-kevitry ny fikaonandoham-paritra – Tsy miandry 2023 ny vondron’ny mpanohitra RMDM

Helisoa

Na nisy aza ny sakana, dia tontosa tany Antsirabe tao amin’ny CDA Vatofotsy ny fihaonambe rezionaly faritra Vakinakaratra, ny RMDM: Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika ny fotoana ny RMDM foibe nasionaly, sy ny avy any amin’ny faritra toy ny tany Toamasina, Mahajanga, Toliara. Teo ihany koa ny birao politika ny antoko TIM notarihin’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro ary ireo senatera teo aloha ao anatin’ny birao ny RMDM sy ny depiote, indrindra ny tao Vakinankaratra.

Raha akapoka ny resaka araka ny fanambaràna nataon’ireo avy any amin’ny faritra dia tsy misy zavatra mandeha eto amin’ny firenena. Noho izany , tsy maintsy mijoro ny mpanohitra milaza ny tsy mety. Tsy afaka hiandry ny 2023 izahay hoy Achim Kely avy any Mahajanga satria tena sahirana ny vahoaka. Ny sekretera jeneraly ny antoko TIM Rina Randriamasinoro indray dia nanambara rehefa nandray fitenena ny tenany, fa tsy tongatonga ho azy izao fahantrana mahazo ny Malagasy izao, fa misy ny tompon’andraikitra nahatonga izany. Raha tiana anefa ny hialàna ao anatin’ny fahasahiranana dia tsy vitan’ny miteny fotsiny, fa mitaky andraikitra amintsika tsirairay avy. Ny vahaolana dia mila haverina eo amin’ny fitondràna ny filoha Marc Ravalomanana, hoy izy. Mialohan’izany anefa rehefa tonga ny fotoam-pifidianana dia mila mandray andraikitra isika ary miara manaramaso ihany koa. Eo ny fandravàna ny CENI sy ny fanadiovana ny lisi-pifidianana manerana ny Nosy.

Ny filoha lefitry ny RMDM faritany Toliara ny pasitera Edouard Tsarahame ihany koa dia nanamafy fa tsy miandry 2023 ny RMDM, satria tena efa mijaly tanteraka ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny fahasarotam-piainana. Nanambara ihany koa izy, fa mila fenoina RMDM i Madagasikara amin’izay miasa tsara ny mpitandro filaminana. Nambarany mantsy fa nanomboka tany Antananarivo ny tenany dia efa voasakantsakana teny andalana hihazo an’Antsirabe. Tao Antsirabe indray dia feno mpitandro filaminana ny toerana hanaovana ny fivoriana tao amin’ny CDA Vatofotsy. Ny depiote Michel AMBALAVATO voafidy tao Antsirabe voalohany dia nisaotra ireo tonga namonjy ny fivoriana. Nambarany tamin’izany, fa fikaonandoham-paritra no natao androany, ka solontena isaky ny fokontany no nantsoina. Mbola hisy ny fotoana hoy izy, hiantsoana ny vahoaka rehetra eto Vakinakaratra eny amin’ny Magro Avaratsena. Namafisin’ny depiote Michel ihany koa, fa tsy mbola nisy fahantrana manara-penitra ohatra izao mahazo antsika izao teto Madagasikara nandritra ny 60 taona.

Tena mangirifiry ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Ny filoha Marc Ravalomanana, raha niditra mivantana tamin’ny antso antarobia dia nampanantena, fa manana vahaoloana izy hialàna amin’izao fahantrana izao. Noho izany hoy Dada dia araho tsara ny tokony hatao ahafahana mampiseho, fa misy mpanohitra mijery ny mahasoa ny vahoaka eto. Isika koa dia mijery ny lalana hanaovana fanovàna mba handeha araka ny lalana tokony ho izy, mba tsy hisy ny fanagadragàdrana. Fa ankoatra izany, mila sahy ary tsy tokony hatahotra ny antoko mpanohitra. Rehefa vita ny kabary samihafa dia novakiana ny fehinkevitra nivoaka, izay tsy mifanalavitra amin’ny fikaonandoha nasionaly natao teto Antananarivo; fa ny nampiavaka ny tany Vakinankaratra dia ny fangatahan’izy ireo ny fialan’ny governora Vivato, satria marobe ny fitantanana tsy mety ataony ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Teo ampamaranana ny fotoana ny fandidiana ny mofomamy fankalazàna ny faha2 taonan’ny RMDM eto Madagasikara.