Holafitry ny mpanao gazety (OJM) – Manala baraka ny ministra Lalatiana, ka tokony hoesorina

Niaina

Manoloana ny vaovao nitranga tamin’ity herinandro ity, mahakasika ny ministra Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy, nisy ny fanambarana nataon’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), izay mbola amperinasa, milaza fa manala baraka ity ministra ity, noho izany tokony hoesorina amin’ny toerany.

“Esory i Lalatiana Rakotondrazafy! Ongoty ao anatin’ny governemanta ao ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy, fa sady mamotika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, no manimba endrika ny fitondrana, hoy ry zareo mpikambana ao anivon’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety. Tsy vitan’izay fa manao tsinontsinona sy manitsakitsaka ny hasin’ny olom-boafidy sy ny manam-pahefana toy ny filohan’ny repoblika”, hoy hatrany izy ireo.

Manao antso amin’ny filoham-pirenena handray fanapahan-kevitra mikasika an’io minisitra io ny holafitry ny mpanao gazety, ary nanambara, fa tokony ho olona manam-pahendrena no hotendrena eo amin’io toerana io. Taorian’ny fivoriambe notanterahan’ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) eto Madagasikara, no nanaovany io fanambarana io. Ankoatra izay dia naneho ny firaisankinany amin’ny gazety “la Gazette de la Grande Ile” izay torian’io minisitra io sy ny vadiny ny OJM. Matoa nahasahy namoaka zavatra toy ireny io gazety io, hoy ny fanamarihana, dia manana ny loharanom-baovaony azony antoka izy ireo, ankoatra ny porofo manamarina izany.

Mikasika ny fanolorana ny solontenan’ny OJM eo anivon’ny CENI dia tsotra ny nambaran’i Gérard Rakotonirina, filohan’ny holafitra: “ny OJM no nandefasan’ny CENI ny taratasy, noho izany mbola ny OJM izay misy anay ireto no ankatoavin’ity vaomiera ity. Araka izany dia hanao antso amin’ireo mpanao gazety liana te hiditra ao anatin’ity vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana ity ny OJM ato ho ato ary avy amin’ireo no hivoaka izay mendrika indrindra hatolotra ny CENI. Tsy misy hidiran’ny minisitera ny raharahan’ny OJM, hoy hatrany ny fanambarana, satria tsy rantsa-mangaikan’ny minisitera ny holafitry ny mpanao gazety, no tsy eo ambany vahohony, ary tsy mpiasa an-tranon’ny minisitry ny serasera ny mpanao gazety manerana an’i Madagasikara.

Hatreto, araka ny fanamarihana ihany dia mbola ny OJM, tarihan’i Gérard Rakotonirina, no eken’ny sehatra rehetra na eto an-toerana na any ivelany, satria lany tamin’ny alalan’ny fifidianana ary tsy misy lalàna afaka manala azy ireo amin’izay asany izay, raha tsy ny fifandimbiasan-toerana amin’ny alalan’ny fifidianana ihany. Ka na inona na inona fihetsiketsehana ataon’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy sy ireo irakirany dia fandikan-dalàna sy famotehana ny asa fanaovan-gazety ary fanararaotam-pahefana no ataony.