Christelle Viera – Avoahay Berija, famotehana olona izao atao azy izao

Isambilo

Vahiny tao amin’ny fandaharana Sahia Lasa Zao, tao amin’ny Radio Mada, ny Radio sy ny Televiziona MBS omaly alina, i Christelle Viera, vehivavy tanora mpanao politika avy any Toliara, faritra Atsimo Andrefana. Voaresaka nandritra izany fandaharana izany toy ny mahazatra ny momba ny resaka tanora, sy ny vehivavy ary ny politika. Ny mpanentana ny fandaharana dia ny mpanao gazety sy ny mpanao politika isany: Arphine Rahelisoa sy Bao Razafimahefa. Amin’ny maha andriambavilanitra avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana azy, voaresaka tao ny momba ny tetikasa Base Toliara, mitsipaka ity tetikasa ity ny tenany, satria voalazany fa manimba tontolo iainana izany.

Mahakasika ny raharaha Berija, izay tanora mpanao politika gadrain’ny fitondrana Rajoelina 44 volana an-tranomaizina amin’izao fotoana, fanapotehana ny tanora manam-pahaizana Malagasy izao ataon-dRajoelina sy ny forongony izao hoy izy, satria i Berija dia dokotera, olona manam-pahaizana toy izany ve hoy ity vehivavy tanora mpanao politika ity dia simbaina toy izao ny fiainany sy ny fianam-pianakaviany?

Avoahay noho izany Berija hoy i Christelle Viera, anisan’ny antoka amin’ny famerenana ny fampihavanana eto amintsika koa izany.