EDITO 11 septambra – Fisiana herisetra samihafa – Tsy mahazo vahana ny fanomezan-kasina ny lafiny maha olona

Sôh’son

Feno 20 taona katroka amin’ity andro ity no nisian’ny herisetra mahery vaika nitranga, tamin’ny asa fampihorohoroana tany Etazonia ny 11 septambra 2001. Olona 3000 no voalaza fa namoy ny ainy vokatr’izany. Misy ny herisetra toy izany no hamoizana aina. Misy koa anefa ny avy amin’ny tenan’ilay olona ihany no hahafatesany, izany hoe mamono tena. Mpitranga eto amin’ny firenena io tranga farany io, indrindra tato anatin’ny 10 taona farany. Nosoritan’ny ray aman-dreny iray izay, fa taloha, efa ao anaty fotoana niverenan’ny fahaleovantena, dia tsy mba nisy Malagasy namono tena izany, ankoatra an-dRabeniomby sy Ravolahanta. Resaka ara-pitiavana izany, iaraha-mahalala ny tantara. Mbola misy io tranga io ankehitriny, saingy miseho amin’ny antony samihafa. Anisan’izany ny tsy fahazakana ny onjam-piainana sy ny fahasahiranana lalina. Dia ireny misy mitsoraka mamono tena amin’ny ranon’Ikopa eny amin’ny tetezan’ny Tanjombato ireny ny sasany. Marihina, fa omaly ny andro manerantany amin’ny fisorohana ny famonoan-tena.

Endriky ny fiharatsiam-piainana misy amin’izao fotoana eto amin’ny firenena ireny trangana famonoan-tena ireny. Olana ara-tsosialy izay tsy hita mazava ny fomba entin’ny fitondrana mamaha na manamaivana azy hatreto. Mazava loatra fa misy ifandraisana be dia be amin’ny lafiny fanabeazana olom-pirenena izany. Ao anatin’izay ihany koa ny lafiny kolontsaina izay manome lanja ambony sy hasina lehibe ny aina. Mbola mila ezaka be ny amin’ny fitaizana ny saina hirona amin’ny faniriana sy hijanona ho olom-banona mendrika an’ity firenena ity. Mampanahy ny maro ny fahitana amina fotoana samihafa ny fizoran’ny fiarahamonina mankany amin’ny fahasiahana; ny toe-tsaina jiolahy sy dahalo izay mampitovy laharana ny tenany amin’ny biby, ka mahavita habibiana amin’ny olona tafihiny anaovany ny asa ratsiny.

Tsy misy dikany ny asa fampandrosoana raha manjaka ny herisetra, ny habibiana eo anivon’ny fiarahamonina, na ny firenena manontolo. Raha mbola variana be amin’ny resaka politika ny fitondrana amin’ny asa rehetra izay ataony dia tsy hisy fivoarany na fihatsaràny io fiharatsiana io. Raha tsy manome môdely tsara hitam-bahoaka ihany koa ny mpitondra amin’ny fanomezan-danja sy hasiny ny lafiny maha olona, dia mihodinkodina fotsiny ny ezaka rehetra, fa tsy ahitam-bokany tsara. Mifampiankina ny asa fampandrosoana sy ny fivoaran’ny toe-tsaina ary tomponandraikitra voalohany amin’izany ny fitondrana.