Tanora RMDM – Lany amin’ny fisehosehoana tsy mitera-bokatsoa ny volam-panjakana

Nangonin’i Stefa

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, nisy ny fanambarana nataon’ny Tanora RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara. « Izahay dia mahatsapa fa :
– Lanilaniana fahatany ny volam-panjakana, ka raha tokony hahavitana fotodrafitrasa sy hanomezana asa hoan’ny tanora dia laniana amin’ny fisehosehoana tsy mitera-bokatsoa.
– Tsy mahita vahaolana amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ny mpitondra nefa tsy afaka mampiakatra ny fahefa-mividin’ny olona.
– Ampiasain’ny fitondrana ho herim-pamoretana ny mpitandro filaminana, ka tsy mampanjaka ny demokrasia.
– Nahitana tsininy ny governemanta vao notendrena tao anatin’ny telo andro niasany.
– Atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, toy ny volamena 73.5kg, ny vatosoa 8 kaontenera, ny volan’ny COVID 19, ny écran plat sy ny “bonbon sucette”, ny fanafody 2 kaontenera nanjavona.

Noho ireo antony ireo dia mitaky izy ireo:
– Ny fametraham-pialan’ny filoha Rajoelina.
– Ny fandravana ny governemanta Ntsay, mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
– Famoahana tsy misy fepetra ireo nogadraina ara-politika sy ireo mpandraharaha tsy mitovy firehana.

Manainga ny hambompon’ireo tafika, mba hijoro ho tandroka aron’ny vozona, ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Nilaza ihany koa izy ireo, fa raha tsy hiala mora ny mpitondra dia hanamafy ny hetsika, ka hidina an-dalambe toy ny nataon’ny mpitondra amin’izao tamin’ny 2009. Miantso ny tanora ho tonga hanamafy ny hetsika izay hatao ny 11 Septambra ho avy izao any Antsirabe, mba hanehoana firaisan-kina”.