Fiainam-pirenena – Ireo fingana sy fifaminganan tato ho ato

Beharo

Nanakoako ny teny hoe: mpamingana tamin’ny fahatongavan-dRajoelina teny Ivato ny alatsinainy teo iny, ka nahatsapana ny toe-panahiny rehefa tofoka izy. Tsy tantiny hono mantsy ny nataon’ ny FMF, ka nanehoany fa “sabotage ” ireny tranga ireny raha ny heviny, nefa ilay fitokanana izay tsy mety noho ireo lanonam-be sy aretina covid19 izay mbola mahazo vahana hatrany, izany hoe : “Incompatible ” izany raha atao indray mijery.

Toa fingana teo amin’ireo roa tonta izany ny an’ny FMF sy Rajoelina raha ny fijeren’ny mpandinika ny raharaham-pirenena azy, nefa fingana hafa koa no hita teo am-pizarana ireo tapakila fidirana fijerena ny lalao baolina ny alarobia maraina, satria tsy vitsy ireo nilaza fa tapakila ho fiderana ilay kianja, na ny fitokanana no nahindrahindra, nefa ireo olona efa nahafoy tena nilahatra vao maraina be teny an-toerana, izany hoe tsikaritra fa ilay dera sy laza nataon’ny mpanova ny kianja Mahamasina ho lasa Barea fotsiny hatrany no tiana antsointsoina maika raha ny filazan’ireo mpijery baolina sasany.

Fingana hafa koa ny filazana fa tsy misy trangana covid19 intsony izao, natao tsara laza tamin’ny CAF izany, mba hahafahana manao io fitokanana io ny alakamisy teo, nefa dia voaporofo hatrany fa mbola misy ireo tra-tehaka ka tsy tokony hanaovana kitoatoa raha io aretina io. Aza mbola misioka raha tsy tafavoaka ny ala ry filoha Rajoelina, hoy ny rehetra, mbola mety hatahorana ny andiany faha-3 amin’ity valanretina ity, na 3ème vague.

Tandremo araka izany ity “fingana ” ambara sy manafintohina ny maro ity, fa vesatra ho an’ny vahoaka sy mpilalao tokoa ny fahainoana azy, indrindra fa taorian’ilay vokatra 1-0 naharesy ny Barea iny, ka sao dia hiafara amin’ny “Penalty ” manara-penitra mihitsy ny raharaha ato ho ato.